Hetsika CFME : Tolotr’asa sy tolotra fiofanana maro karazana ho an’ny tanora, eny amin’ny AFT
Hetsika miompana amin’ny ho avy mamiratry ny tanora malagasy ny Carrefour de la Formation des Métiers et de l’Emploi (CFME). Ny 28 jolay hatramin’ny 2 aogositra ho avy izao no hanatanterahana ny andiany faha-9, eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT), eny Andavamamba.
Asa mitodika amin’ny hoavy
Sehatra hampihaonana ny tanora malagasy, mpianatra na mpiasa, amin’ireo tolotra arak’asa sy ara-piofanana misy, ny CFME, hoy ny filohan’ny filàn-kevi-pitantanan’ny AFT, Ramamenosoa Herinjato. Hizara ho fotoana roa, izay mifameno, ny hetsika. Ny 28 hatramin’ny 31 jolay dia hatokana ho amin’ny atrikasa sy famelabelaran-kevitra, hiresahana sy hampahafantarana sehatr’asa sy seha-piofanana maro.
Mandritra ireo 4 andro ireo dia homena vahana ireo lohahevitra momba ny fandraharaharana, ny asa tanana, ny haitao ara-kajy mirindra, ny fizahantany, ny fampivoarana ny maha-olona, sy ny maro hafa. Amin’ireo fotoana ireo no hahafahan’ireo tanora mahafantatra ireo fanararaotra iraisam-pirenena sy ireo asa mitodika amin’ny hoavy. Manam-pahaizana sy tomponandraikitra manana ny maha-izy azy avokoa, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny AFT, no hitarika ny atrikasa sy hitondra ny famelabelaran-kevitra, mandritra ireo fotoana ireo.
Tolotra fiofanana
Ny 1 sy 2 aogositra kosa dia hiatrana eo an-tokotanin’ny AFT ireo tranoheva miisa 40, izay hampirantian’ireo sekoly ambaratonga ambony, ivon-toeram-piofanana, orinasa, ary « agences de placement » ireo tolotra momba ny fianarana na momba ny asa misy ao aminy. Mandritra izany dia hisy amin’ireo orinasa mpandray anjara no hampanao dinika mialohan’ny fampidirana hiasa (entretien d’embauche) amin’ireo izay efa mivonona ny ho amin’izany, ary koa hanangona ny antontan-taratasy (CV) an’ireo mitady asa. Tombanana ho manodidina ny 200 ny tolotr’asa ho hita eny an-toerana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny filàn-kevi-pitantanan’ny AFT.
Etsy an-daniny, misy ny torohevitra momba ny lalam-piofanana azo harahina, ho an’ireo tanora mpianatra vao afaka fanadinana. Ankoatra izay dia hisy ny fotoana hatokana hampiofanana ireo tanora ny momba ny fanamboarana ireo taratasy ilaina amin’ny fitadiavana asa.
Famoronana tetikasa
Isan’ny hetsika iray lehibe hanamarika ity andiany faha-9 amin’ny CFME ity ny fifaninanana famoronana tetikasa, izay andiany faharoa amin’ny fifaninanana « Mon Projet Innovant ». Hahazo fiofanana sy tohana izay ho mpandresin’ny fifaninanana, tahaka ny vola 800.000 Ar ho fanombohany ny tetikasany, miampy fitaovana ara-nomerika.
Eo ambany fiahian’ny minisitry ny fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ity hetsika CFME ity. Miara-mikarakara izany amin’ny AFT kosa ny Yas Madagasikara. Mifandraika tanteraka amin’ny tanjon’ny vondron’orinasa Axian, izay misy ny Yas, izao hetsika izao, hoy i Eli Raharimanjato, avy eo anivon'ny Yas. Tsy inona izany fa ny hoe : manorina ny Afrika ho an’ny rahampitso (Bâtir l'Afrique de demain). Miainga amin’ny fampiroboroboana ny tanora sy ny fanabeazana izany, hoy ny fanazavany.
Mpitsidika manodidina ny 5.000 isa no andrasana ho avy amin’ity hetsika ity, raha nihoatra ny 4.000 isa izany, tamin’ny andiany teo aloha, araka ny fanazavana.