• Cours de change
  • 5137.34 AR
  • |
  • $4424.8 AR
Copyright Image : © Tvm
Image
Vaovao

Raharaha Ambohimalaza : 32 no maty, raikitra ny ampamoaka

24/07/2025 21:50 © Moov

Tontosa ny hariva teo ny fandaharana mivantana, niarahana tamin'ny Filohampirenena sy ireo tompon'andraikitra ambony voakasiky ny raharaha fanapoizinana teny Ambohimalaza, namoizana aina 32 be izao teo anivon'ny HJRA.

Taorian'ny kabary fohy nataon'ny Filohampirenena Andry Rajoelina, nanehoany ny fiaraha-mioriny amin'ireo fianakaviana mana-manjo, mifandimby nandray fitenenana ireo tompon'andraikitra voaantso teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha.

Fanazavana amin'ny antsipirihany

Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Contrôleur Général de Police Herilala Rakotoarimanana, no nandray fitenenana voalohany. Niverenany notantaraina ny teboka manan-danja tamin'ilay fety, ny sabotsy 14 jona lasa teo. Alina moa ny lanonana ka ny alahady 15 jona tamin'ny 3 ora maraina teo ho eo vao tapitra. Olona 30 no nahazo fanasana, saingy samy nitondra namana izy ireo, ka tafakatra 60 tany ho any ireo nanotrona ny fety. Mpikarakara sakafo iray no namoy ny ainy voalohany tamin'ity raharaha ity. Nitaraina narary izy, ka mbola tsy tonga teny amin'ny toeram-pitsaboana akory dia nodimandry. Ny andron'ny 15 jona io, olona 15 be izao no namoy ny ainy. Ny ampitson'io, alatsinainy 16 jona, dia efa nanomboka ny fanadihadihana. Ny alarobia 18 jolay no nanomboka ny fisamborana, ka ny 20 jolay no nisy olona 8 natolotra ny Fitsarana.
Manamafy hatrany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Zely Andriamanantany, fa tsy "botulisme" velively no nitranga. Tsy karazana "patisserie" mihitsy hoy ny tenany ny Botulisme, ary tsy soritr'aretina tokony nitranga ny olan'ny fo, ny aty sy ny taova, izay nahakasika ny ankamaroan'ireo namoy ny ainy. Rehefa natao ny fitiliana, nahitana poizina azo avy amin'ny zava-maniry avy eto Madagasikara (efa voatonona etsy ambony) ny singa nalaina tamin'ny sakafo sy tany anatin'ireo marary. Miisa 23 moa ireo sitrana hatreto. Na misy aza mantsy ny karazana Antidote, samy manana ny fandraisany ny fitsaboana ny tsirairay. Tsy mora rahateo ny mitsabo ny karazana "infections" raha vao tazomina any amin'ny efitra fameloman'aina ilay marary.

Disadisam-pianakaviana

Mamamafy ireo tompon'andraikitra fa niniana natao ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza. Efa nanomboka tamin'ny taona 2016 no nisy rahoraho, satria nisy mpianaka namoy ny ainy noho ny famosaviana. Ilay cousine "traiteur" nanao sakafo moa no nanana lonilony tamin'ny havany, ka io olona io no nokendreny. "Valifaty" no antony nisian'ilay fanapoizinana, araka ny fiaiken-keloka nataon'ilay mpanao sakafo io. Tratra tao an-tranony ny "ody" nafafiny tamin'ny sakafo, ka zava-maniry mampidi-doza roa no nampiasaina : Datura na herbe du diable sy ny Belladone. Efa tazomina am-ponja ilay "mama rabe" (mpimasy vehivavy) namolavola io poizina io.
Nohamafisin'ny Tonia Mpampanoa lalàna, Narindra Navalona Rakotoniaina, fa ananana porofo mazava ny nitazonana am-ponja olona 3. Mety hahazo sazy henjana toy ny Asa an-terivozona mandrapahafaty izy ireo, ka izany no antony hanaovana famotorana lalina mandritra ny fotoana maharitra, na dia efa maika hahare vaovao mikasika ny Fitsarana ireo voarohirohy aza ny besinimaro. Mikasika an'i Fenohasina manokana, mbola ao anatin'ny tsy fahasalamana ny tenany, ka ho alefa tsikelikely ny famotorana azy. Maharitra ora maro mantsy ny famotorana. Manome toky hatrany ireo tompon'andraikitra fa ho tanterahina ampahibemaso ny fiakaran'ireo voakasika fitsarana. "Mandray andraikitra ny fitondram-panjakana ary tsy maintsy hita ny marina", hoy ny Filohampirenena Andry Rajoelina.
Mampitandrina ireo mamboly korontana ihany koa ny Filohampirenena, indrindra amin'izao ankatoky ny fandraisana ny Fihaonana an-tampon'ny SADC izao. "Tsy ekena ny fanelezana vaovao tsy marina hanodinana izao raharaha izao ho resaka politika, entina hanakorontanana ny firenena. Tsy mila savorovoro sy korontana ny vahoaka Malagasy".

Lire la suite

Articles Similaires