Bac 2025 : Tsy nisy mihitsy ny "Fuite Sujet", hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony
Hatramin’ny omaly 23 jolay, andro fahatelo tamin’ny Bakalorea 2025, tsy nisy ny fiahiahiana fiparitahana laza adina mialoha na « fuite de sujet », araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fampianarana ambony, Pr Chaminah Loulla.
Androany 24 jolay, miditra amin’ny andro faha-4 ireo mpiadina amin’ny Bac 2025. Madiva hifarana ny fanadinana ho an’ireo Sokajy Ankapobeny, raha mbola hitohy amin’ny herinandro ho avy io kosa izany ho an’ireo Sokajy Teknika.
Fanamafisana fepetra hentitra
Mbola mitoetra hatrany ireo fepetra hentitra napetraky ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony. Misy Caméra de surveillance avokoa ohatra ireo toerana fikirakirana ireo laza adina. Nanambara mazava ny Minisitry ny Fampianarana Ambony fa tsy nisy laza adina nivoaka mialoha manerana ny Nosy. Ireo "mpibizina" amin’ny Tambazotra Facebook no nisy nanararoatra naka sary ireo laza adina efa teny am-pelatananan’ny mpiadina, nentina nanaovana dokam-barotra fa manana laza adina feno izy ireo. Tsiahivina moa fa nisy mpitandro filaminana voasambotra noho ny fikasana hivarotra laza adina sandoka tamin’ny vidiny 60 000 ariary, ny alatsinainy 21 jolay lasa teo.
Manamafy ny fidinana ifotony ihany koa ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony. Omaly 23 jolay, teny amin’ny EPP Analakely no notsidihina, noho ny vaovao niely fa misy "mpiambina fanadinana mitaky vola mba hahafahan’ireo mpanala Bac mifanoro". Nampivory ireo tompon’andraikitra rehetra eo anivon’izany Centre d’examen izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony, mba tsy hiverenan’ny tranga mahamenatra sady manapoizina ireo mpiadina intsony. ". Fotoanan'ny fanovàna izao ka manentana ny rehetra hiara-hanova ny lesoka nisy teo aloha sy hiara-hiasa, hiara-hitandrina mba hampahay ny mpianatra ny tenany. Tsy azo ekena ny gaboraraka eo amin’ny fanadinam-panjakana ary mandray ny andraikiny amin’izany ny MESupReS", hoy ny Pr Chaminah Loulla. Tsiahivina hatrany fa fitsapam-pahaizana ny fanadinam-panjakana toy izao, ka tsy tokony hamita-tena ny mpiadina.
Fampitandremana sy fanasaziana
Samy manana ireo fepetra raisiny mba hisorohana ny hosoka ny toeram-panadinana tsirairay. Ny ankamaroany dia manatanteraka fisavana ireo mpiadina mialohan’ny hanombohan’ny taranja iray. Tanjona ny tsy hisian’ny finday, fitaovana elektronika samihafa sy taratasy misy lesona eny amin’ireo mpianatra.
Ho an’ny tao an-drenivohitr’i Toliara manokana, miisa 62 hatreto ireo mpiadina nahatratrarana hala-tahaka. Nisy ireo nanoratra ny "fraude" tamin’ny taratasy raha misy kosa nanoratra tamin’ny "machine à calculer". Nandeferana moa izy ireo ka nogiazana ny hala-tahaka voaomana, ary nalefa niatrika fanadinana ihany. Nisy olona 17 kosa tsy maintsy navoaka sy nandraisana fepetra, noho ny fisoloana mpiadina amin’ity Bac 2025 ity.
Mampanantena tatitra feno sy mazava mikasika ireo tompon’andraikitra na mpianatra voasazy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony, rehefa mifarana ny fanadinana Bakalorea 2025.