• Cours de change
  • 5079.39 AR
  • |
  • $4431.7 AR
Copyright Image : © Vanilleaix
Image
Vaovao

Voly fanondrana : Tsy misy mpividy ireo vokatra lavanila ao amin’ny Distrikan’i Sambava

11/02/2025 14:07 © Moov

Mitaraina ny tantsaha mpamokatra lavanila ao amin’ny Distrikan’i Sambava fa tsy misy mividy ny vokatra. Anatin’ny taom-piotazana sy fanondranana anefa izao. Miteraka olana ara-tsosialy maro eo anivon’ny fiaraha-monina ny tsy fananam-bola amin’ireo tantsaha ireo.

Fidinana an-dalambe fanairana

Efa roa andro izay no nampiaka-peo ireo mponina any an-toerana tamin’ny alalan’ny fidinana an-dalambe, sy fitondrana sora-baventy. Saika nanambara ny fahasahiranana sy ny olana ateraky ny tsy fisiana mpividy lavanila eo amin’ny fiainan’izy ireo izany. « Tsy manambola hividianana sakafo izahay » ; « tsy afaka mitsabo tena izahay » ; toy izany no tsikaritra amin’ireo sora-baventy. Etsy ankilany dia nohamafisin’izy ireo fa efa maro ny marary vokatry ny tsy fisiana vola ka tsy afaka mandeha any amin’ny mpitsabo. Misy ihany koa ireo mpianatra voatery mijanona noho izany ; hoy ny solontenan’ireo mpamboly. Manoloana izany dia vahaolana maika no angatahan’izy ireo. « Ireo mpandraharaha nahazo fahazoan-dalana handraharaha lavanila tsy mividy ilay entana. Na misy mividy aza dia ambany ny vidiny », hoy hatrany ny fanazavana. Tsara ny manamarika fa ireo mpandraharahana nahazo fahazoan-dalana ireo ihany no afaka manondrana. Mangataka araka izany ny mpamboly ny mba hisian’ny vahaolana maharitra.

Manaraka ny tsena iraisam-pirenena ny tsenan’ny lavanila

Toy ny voly fanondrana rehetra dia manaraka ny fizotran’ny tsena iraisam-pirenena ihany koa ny tsenan’ny lavanila eto Madagasikara. Tsara ny mampatsiahy fa efa nanomboka tamin’ny volana oktobra 2024 ny taom-panondranana, izay hifarana ny volana jona 2025. « Manoloana izay fotoam-panondranana izay dia tsy maintsy manaraka ny zava-misy eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena ny tsena eto Madagasikara. Araka izany, miankina amin’ny filàn’ny tsena sy ny vidiny any ivelany ihany koa ny fividianana entana eny anivon’ny tantsaha sy ny vidiny eny », hoy ny fanazavana avy ao amin’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny varotra sy ny fanjifana (MIC). Raha ny nomarihin’ny avy ao amin’ny MIC hatrany anefa dia efa nanondrana hatramin’ny 4 400 taonina i Madagasikara tamin’ny taom-panondranana farany ; azo heverina ny nisian’ny tahiry any ivelany ka mety antony tsy mbola hisian’ny mpividy. Etsy ankilany anefa dia azon’ny tantsaha hatao ihany koa ny mandefa fitarainana sy fangatahana rehetra eo anivon’ny filan-kevitra nasionalin’ny lavanila (CNV). Ity farany ity izay rafitra napetraka hamaha ny olana rehetra mifandraika amin’izany sehatra izany.

Lire la suite

Articles Similaires