Nosy Hara : Feso (dauphins) 22 isa, hita faty tao amin’ny valanjavaboahary an-dranomasina
Feso, na « dauphins » 22 isa no hita faty tao amin’ny valanjavaboahary an-dranomasina Nosy Hara, any amin’ny Distrikan’Antsiranana II, omaly 21 jolay 2025, nandritra ny fisafoana nataon'ny ekipan'ny Madagascar National Parks. Eo an-dalam-panadihadiana ny antony nahatonga izao tranga izao ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny.
Nosy ahitana karazam-biby maro
Nosy kely 15 isa no mitambatra ka mamorona ny Nosy Hara. Nanomboka tamin'ny 2007 izy no nosokajiana ho faritra arovana an-dranomasina, noho izy toerana ahitana tontolo iainana tsy manam-paharoa, ahitana karazana biby mahavariana sy tsy fahita firy, na an-tanety, na an-dranomasina, toy ny tanalahy, ny trozona sy ny feso. Toerana fanatodizan’ny sokatra ihany koa ny Nosy Hara ary ahitana karazam-borona manodidina ny 30 isa.
Tao amin’ny helodranon’i Besikidy, Fokontany Antsako, ao amin’ny valan-javaboahary an-dranomasina Nosy Hara, Distrikan’Antsiranana II no nahitana ireto fatina feso ireto. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia nanomboka ny 16 jolay ireo mponina no nahatsikaritra tranga hafahafa, fa ny 19 jolay vao nisy nampahafantatra ny eo anivon’ny Madagascar National Parks, izay mpitantana ity valan-javaboahary ity. Raha ny fitantaran’ireo fokonolona dia ny 20 amin’ireo feso ireo no efa lehibe, izay mirefy 1,5 metatra hatramin'ny 2 metatra, ary zanany kosa ny roa.
Hiroso amin’ny fanadihadiana siantifika
Tonga nijery ity tranga ity ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toe-karena Manga ao DIANA, niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny Madagascar National Parks. Tapaka fa hirosoana ny fanadihadiana siantifika, ka ny Centre National de Recherches Océanographiques (CNRO) Nosy Be sy ny Oniversiten’Antsiranana no hiandraikitra izany. Handray ny andraikiny ihany koa ny Centre de Fusion des Informations Maritimes (CFIM) mba hamantarana izay sambo rehetra mety nandalo tany amin’ny manodidina iny fari# dranomasina iny, ka mety nampiasa « sonars », izay fitaovana fampiasan’ny sambo sasany handrefesana ny any anaty rano, amin’ny alalan’ny onjam-peo. Mety ho antony mahafefika ny feso ny faharenesana izany « sonar » izany. Azo heverina ihany koa anefa fa mety ho nitsoaka an’ireo trozona izay efa mifamezivezy aty amin’ny fari-dranomasina manodidina ireto feso ireto, ka voafandrika tao anaty honko, noho ny fidinan’ny ranomasina.
Nentanina moa irao mponina mba tsy hihinana na hikasika akory ireto biby maty ireto, mba ho fiarovana ny fahasalamana. Namporisihina ihany koa izy ireo mba hilaza avy hatrany amin’ireo tomponandraikitra, rehefa mahita tranga hafahafa.