• Cours de change
  • 5115.92 AR
  • |
  • $4427.37 AR
Copyright Image : © Rohy
Image
Vaovao

Fanapoizinana ara-tsakafo : Zo fototra ny fisitrahana sakafo ara-pahasalamana, hoy ny fiarahamonim-pirenena

23/07/2025 10:14 © Moov.Mg

Zon'olombelona fototra ny fisitrahana sakafo ara-pahasalamana sy tsara kalitao, tsy mampiahiahy. Izany no isan’ny nisongadina tao anatin’ny fanambarana navoakan’ny firaisamonim-pirenena, omaly 22 jolay 2025, manoloana ireo tranga fanapoizinana na fahapoizinana, izay nitranga teto Madagasikara tato ho ato.

Sakafo azo antoka

Tafiditra ao anatin’ny zo fototra tokony hositrahan’ny olona tsirairay tokoa ny fahazoana sakafo azo antoka, ho an’ny fahavelomany sy ny fahasalamany. Noho izany indrindra dia mitaky ny hisian'ny fitsirihana sy fanaraha-maso matotra sy ara-potoana ireo entana sy vokatra ary sakafo izay tonga eto Madagasikara, ary amidy ho an'ny mpanjifa eny an-tsena, ireo fikambanana sy fiarahamonim-pirenena 440 isa izay nanao sonia ny fanambarana nivoaka omaly. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ireo zon'olombelona fototra ny « fisitrahana sakafo ara-pahasalamana sy tsara kalitao, tsy mampiahiahy, ho fiarovana ny aina sy ny fahasalamana », hoy ny fanambarana. Ho an’ireo tojo ny tsy fahasalamana kosa, dia nanipika ny fiarahamonim-pirenena fa zon’ny olompirenena ny hisitraka fitsaboana matianina ary tokony hahay mifandray amin’ireo marary sy ny fianakaviany ireo mpitsabo, mba hiverenan’ny "bien-être social", izay nolazain’ny fanambarana fa efa very an-javona ankehitriny.

Mitaky ny marina

Mifanindran-dalana amin’ireo dia takian’ny firaisamonim-pirenena ny fanesorana tsy misy fepetra ireo tomponandraikitra tsy mahavita ireo asa iantsorohany. Voatonona manokana ao anatin’ny fanambarana, ireo miandraikitra ny momba ny sakafo azo antoka, ireo miahy ny fahasalamambahoaka sy ireo mpampihatra ny lalàna. Fa indrindra, angatahan’ireo vondron’ny fiarahamonim-pirenena ny hamoahana mangarahara ny valim-panadihadiana, ho amin'ny rariny sy ny hitsiny.
Izany fanambarana nataon’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena izany moa dia vokatry ny fisian’ireo tranga fanapoizinana ara-tsakafo mampiahiahy, izay niseho tamin'ny faritra sy toerana maro teto Madagasikara, ka namoizina ain'olona maro, dia ny tao Ambohimalaza, Ambositra, Toamasina ary Mahajanga.

Lire la suite

Articles Similaires