Fanapoizinana teny Ambohimalaza : Niatrika fanadihadihana i Fenohasina
31 be izao ireo namoy ny ainy noho ny fanapoizinana ara-tsakafo nandritra ny lanonana iray teny Ambohimalaza Imerikasinina. Iray volana aty aoriana, natao fanadihadihana ny tompom-pety sy ny akaiky azy.
Fianakaviana am-polony no nivondrona ka nametraka fitarainana teny amin'ny Fitsarana mikasika ity raharaha fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza ity, hatramin'ny omaly 21 jolay. Ireo fianakaviana namoy havana na manana marary eny amin'ny HJRA moa no nametraka fitoriana, ka ny tompom-pety (Fenohasina) no notorian'izy ireo tamin'izany. Nanambara moa ny solontenan'ireo fianakaviana efa nitory fa mbola maro ireo hametraka fitoriana ato ho ato, satria mbola misy ireo sahirana amin'ny fandevenana, ny fikarakarana taratasy sy ny antony samihafa.
Fakana am-bavany an'i Fenohasina sy ny reniny
Omaly 21 jolay 2025 no niatrika fanadihadihana teny amin'ny Tobin'ny Zandarimaria Fiadanana ny renin'i Fenohasina. Nalaina am-bavany teny an-toerana ihany koa ireo vehivavy miisa 3 efa tazomina vonjimaika eny amin'ny Fonjan'Antanimora. Mazava ho azy, nohenoina ihany koa ireo fianakaviana nametraka ny fitoriana.
Niatrika fanadihadihana ihany koa i Fenohasina, ka ireo mpanao famotorana no nanatona azy teny amin'ny HJRA. Mbola manaraka fitsaboana mantsy ny tenany. Mbola hitohy ny fanadihadihana azy, araka ny nambaran'ny Commissaire Ratojoniriana Manampison, Lehiben'ny Brigade Criminelle Anosy. Tanjona moa ny hipoiran'ny marina, satria mitaky izany ireo fianakavian'ireo voakasiky ny aretina sy ny fahafatesana. Tsiahivina moa fa efa namoahan'ny Fitsarana tsy fahafahana mivoaka an'i Madagasikara na Interdiction de sortie du territoire (IST) i Fenohasina. Ny reniny kosa dia tazomina eny Fiadanana hatramin'ny alahady 20 jolay.
Ampamoaka ataon'ny Fanjakana
Marobe ireo nanao fitakiana tamin'ny endrika samihafa tamin'ny tambazotran-tserasera Facebook, ny amin'ny amoahana ny tena zava-misy marina mikasika ity raharaha Fanapoisinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza ity. Tamin'ny tafakatra 30 ny maty, ary mbola nisy iray fanampiny, no tena nampitroatra ireo mpanara-baovao. Hisy araka izany ny tatitra ho ataon'ireo Minisitra voakasika eo anatrehan'ny Filoham-pirenena, eny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny Alakamisy 24 jolay amin'ny 8 ora alina. Handeha mivantana amin'ny TVM sy ny RNM izany fanaovana tatitra izany.