« Ho tiavinay... Madagasikara » : Hampiranty sary tsy mbola naseho sy tantara vaovao ny Mi-Tily Sary
« Ho tiavinay... Madagasikara » : Hampiranty sary tsy mbola naseho sy tantara vaovao ny Mi-Tily Sary
Nahaliana ny maro
Misokatra androany 11 febroary 2025 indray, eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina, ary hifarana ny 22 febroary 2025, ny fampirantiana sary « Ho tiavinay... Madagasikara », karakarain’ny Mi-Tily Sary, izay vondrona mpaka sary eo anivon’ny fikambanana skoto Tily Eto Madagasikara. Tsapa mantsy fa nahomby ny hetsika teo aloha, izay nosokafana ny 20 desambra 2024 ary tsy nifarana raha tsy ny 25 janoary 2025. Porofon’izany fahombiazana izany ny hamaroan’ireo olona tonga nitsidika, nahitana mpakasary manana ny maha-izy azy sy fanta-daza, toa an’i Pierrot Men, ary tomponandraikitra ambony sy manam-pahaizana momba ny fiarovana ny tontolo iainana, toa ny Dr Raharinirina Baomiavotse Vahinala, sy ny Pr Ratsimbazafy Jonah, filohan’ny Groupe d’Étude et de Recherche sur les Primates (GERP) sy ny International Primatological Society (IPS).
Madagasikara an-tsary
Raha tsiahivina tokoa dia ny hakanton’i Madagasikara, ny tontolo iainany tsy manam-paharoa, ny kolontsainy miavaka ary ny fiainan’ny skoto, no iomponan’ity fampirantiana ity. « Sary nalaina avy any amin’ny lafivalon’i Madagasikara, feno fiainana, natiora ary hafaliana », no naranty nandritra ny iray volana teo ho eo. Amin’izao fiverenany izao indray, dia hitondra zava-baovao ny M-Tily Sary, ka hampiranty « sary tsy mbola naseho, tantara vaovao ary traikefa miavaka ho an’ny rehetra », araka ny nambaran’izy ireo.
Fotoana indray ity, hitondran’ireo Tily mpaka sary ireo mpitsidika, hitety an’i Madagasikara an-tsary sy hankafy ny hakantony. Fotoana ihany koa, anehoan’izy ireo ny talentany sy ny fahaiza-manaony.