Fanamiana miaramila : Tsy azo anaovan'ny sivily, tsy azo amidy na toy ny lamaody aza
Voararan’ny lalàna hatramin’izay ny fanaovana na fivarotana ireo fanamiana miaramila na izay mitovy aminy. Nampatsiahy ny lalàna mifandraika amin’izany ny mpitandro filaminana mivondrona ao amin’ny EMMONAT, omaly. Tamin’izany no nilazan’izy ireo fa hampihatra ny sazy izy ireo manomboka ny sabotsy 15 febroary izao.
Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana
Raha ny fanazavana dia noho ny firongatry ny fanafihana sy ny fisolokiana ho mpitandro ny filaminana misalotra ireny fanamiana ireny no anton’izay fampatsiahivana izao. Saika ahitana ireny mpisoloky ireny hatrany na ety andrenivohitra izany na any amin’ny tontolo ambany vohitra. « Marihina fa tsy azon’ireo sivily tsy manana fahazoan-dalana atao ny manao ireny fanamiana ireny », hoy ny Jeneraly Rakotomalala Andriantahina Jean Herbert, Lehiben’ny EMMONAT. Ankoatra izay dia isan’ny voarara ihany koa ny mivarotra azy ireny izay nomarihina hatrany fa mirongatra izany na eny anivon’ny tsena na any anaty tambazotran-tserasera. Nandritra izany fampatsiahivana izany no namerenan’izy ireo ny lalàna mifandraika amin’izany fandrarana izany. « Voarakitra ao amin’ny andininy faha-259 ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana fa voarara ary enjehin’ny lalàna manan-kery ny fanaovana fanamiana miaramila na ny mitovitovy aminy ho an’ireo sivily tsy manana fahazoan-dalana », hoy ny fanazavana. Mifanaraka amin’izany dia misy ny sazy ho an’ireo izay minia mandika izany.
Hampiharina amin’izay ny lalàna
Hiditra amin’ny fanentanana ny vahoaka ireo mpitandro ny filaminana mandritra ny dimy andro, nanomboka omaly alatsinainy 10 febroary. Ao anatin’izany fanentanana izany ny mikasika ireo rehetra mivarotra kanefa tsy nahazo alalana manokana mba hampitsahatra tanteraka ny fivarotana manomboka izao. Etsy ankilany ny fanentanana ny sivily mba tsy hisalotra ireny intsony hahafahana manavaka ny tena mpitandro filaminana. « Rehefa tapitra ny fanentanana dia hiditra amin’ny fampiharana ny sazy amin’izay manomboka ny sabotsy 15 janoary izao. Ao anatin’izany sazy izany ny famonjana 1 volana hatramin’ny 5 taona. Miaraka amin’izany ny fandoavana lamandy 300 000 ariary hatramin’ny 9 000 000 ariary », hoy hatrany ny fanazavana. Ao anatin’izany dia miantso ny fandraisana andraikitry ny rehetra ny mpitandro filaminana.