• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Vinaninkarena Antsirabe : Nahazo ivon-toerana mpamokatra herinaratra sady azo anondrahana fambolena

16/05/2024 14:47 © Moov.Mg

Notokanan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, androany maraina ny "Centrale agro-photovoltaïque", izay manana tanjona ny hamaha ny olana ara-pamatsiana herinaratra ao amin’ny tanànan’Antsirabe no sady tafiditra ao anatin’ny dingana firosoana tsikelikely mankany amin’ny fampiasan’i Madagasikara angovo azo havaozina.

Fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina

Ao Tsaratanàna Vinaninkarena, ao amin’ny Distrikan’Antsirabe faha-2, Faritra Vakinankaratra, no nametrahana ity ivon-toerana lehibe mpamokatra herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro ity. Fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina no nahavitana nametraka azy ity, satria ny orinasa SUN Farming no nanangana azy, efa nanomboka ny taona 2019. Tamin’ny taon-dasa kosa izy ity no nanomboka nihodina. Miavaka amin’ireo « parcs solaires » fahita mahazatra izy ity : mipetraka ambony ireo « plaques solaires » ary ny eo ambany kosa dia ahafahana mamboly, ka ny angovo vokarina ao ihany no hanondrahana ireo tanim-boly ao an-toerana. Izay no mahatonga azy hosokajiana ho "centrale agro-photovoltaïque". Araka izany, sady afaka misitraka herinaratra, no mahazo vokatry ny tany ihany koa, amin’ny fampiasana azy. Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika dia mamaly ny 20% hatramin’ny 30% ny filàn'Antsirabe herinaratra ity tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin'ny masoandro ity. Efa mamokatra 2MW izy io ary mbola hiitatra hatramin’ny 5MW.

Miala amin’ny fampiasana solika

Araka ny fanazavan’ny filoha Andry Rajoelina dia mbola mihodina amin’ny solika ny ankamaroan’ny fitaovana ampiasain’ny Jirama eto amintsika, ka sady lafo ny fandaniana amin’izany no tsy mitsinjo ny tontolo iainana ihany koa. Noho ny vola ilaina amin’ny fampihodinana ny orinasa Jirama, hoy hatrany izy, dia voatery nanesorana daholo ny teti-bola tokony hanamboarana tobim-pitsaboana sy sekoly. Vola 36 miliara ariary no tsy maintsy nomena ny Jirama mba hisorohana ny fahatapatapahan’ny jiro, nefa isan-taona dia efa manokana vola manodidina ny 250 tapitrisa dôlara, homena ny Jirama, ny Fanjakana, araka ny nambaran’ny Filoha hatrany. Tombony amin’ny fampiasana « centrale agrophotovoltaïque », araka izany, ny fialana amin’ny fampiasana solika. Mihena 1 tapitrisa isan-taona ny fandaniana gazoala vokatr’izany, araka ny fantatra. « Ohatra tsara apetraka manerana ny Nosy ny fotodrafitrasa tahaka ity mba hamaha ny olan'ny famokarana angovo », hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Lire la suite

Articles Similaires