• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Minae_.Jpg
Image
Vaovao

Fambolena : Mpitsirika masomboly 20 mianadahy no nanao fianianana

22/04/2024 15:20 © Moov.Mg

Antoky ny habetsaky ny vokatra sy ny kalitaony ny fanaraham-penitry ny masomboly. Antony nanomezana fiofanana ireo mpitsirika masomboly izany, ho fanatsarana ny vokatra miakatra eto amintsika.

Vita fiofanana

20 mianadahy ireo mpitsirika masomboly (inspecteurs et contrôleurs semenciers) ireo no nanatanteraka ny fianianany androany, tao amin’ny efitrano malalaky ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy. Avy amin’ny Faritra 7 izy ireo, dia Alaotra Mangoro, Analanjirifo, Atsimo Andrefana, Boeny, DIANA, SAVA ary Vakinankaratra. Nanaraka fiofanana maro nifanesy izy 20 mianadahy ary narahana fampiharana nomen’ny SOC (Service Officiel de Contrôle des semences et matériel végétal) izany avy eo, sy nofaranana tamin’ny fanaovan’izy ieo fitsapam-pahaizana. Taorian’izany dingana rehetra izany dia natolotry ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ratohiarijaona Suzelin azy ireo androany, ny mari-pahaizana sy ny « badge » ary fanamiana, mba hahafahan’izy ireo manatanteraka avy hatrany ny asany. Nambaran’ny Minisitra fa « zava-dehibe loatra ny fampiasana masomboly voafantina sy nohatsaraina hahafahana manatsara sy mampitombo ny vokatra ».

Ho fampitomboana ny vokatra

Fiaraha-miasa teo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, tamin’ny alalan’ny SOC sy ny Tetikasa PURPA (Projet d’Urgence pour le Renforcement de la Production Alimentaire à Madagascar), izay vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana vola, no nahafahana namoaka ireto mpitsirika masomboly ireto. Tafiditra ao anatin'ny tanjon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana amin'ny fampitomboana isa ny mpitsirika masomboly eny anivon’ny Faritra ihany koa izany, mba ho fanatsarana sy fampiakarana hatrany ny vokatra masomboly tsara kalitao sy voamarina eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo