• Cours de change
  • 5179.76 AR
  • |
  • $4464.78 AR
Copyright Image : © Mndpt
Image
Vaovao

Toamasina : Tanora miisa 51 miofana maimaim-poana mikasika ny teknolojia ao anatin'ny tetikasa Skills4Job

03/10/2025 18:07 © Moov

Olana mitoetra eto Madagasikara efa nandritra ny taona maro ny tsy fahitan'ny tanora asa. Hanampiana azy ireo amin'izany dia hampiofanina izy hanamorany ny fahitana asa. Natomboka omaly tao Toamasina, ao amin’ny Centre de Formation Professionnelle ny tetikasa Skills4job, izay hampiofana mikasika ny teknolojia ho an'ny tanora.

Tanora hiditra amin'ny sehatry ny asa

Tsy moramora ny mitady asa eto Madagasikara. Isan'ny mampanano sarotra azy io ny tsy fahaizana mikirakira teknolojia sy ireo antony eo amin'ny fitondran-tena na fomba fiainana. Izany indrindra no antom-pisian'ity tetikasa ity, ary amin'izao andiany voalohany izao dia tanora miisa 51 no nisitraka azy voalohany, tao Toamasina. Hampianarina maimaim-poana izy ireo mandritra ny telo volana. Hisitraka fiofanana mikasika ny tontolon'ny nomerika izy ireo, izay matetika tsy maintsy takian'ny orinasa amin'izao fotoana izao. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo tanora sy ny fahafahany miditra amin'ny tontolon'ny asa. Raha tsiahivina, nandritra ny fisafidianana ireo mpisitraka ireo tamin'ny volana septambra dia nanamafy ny solontenan'ny Ministeran'ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra, ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT) fa, tetezana eo amin'ny tanora sy ny filàna eo amin'ny sehatra ny asa, ity tetikasa ity.

Toamasina, manana tanora maro

Voasafidy manokana i Toamasina, hanombohana ny tetikasa. Antenaina hampivoatra indrindra ny tanàna sy ny tsirairay mantsy ity tetikasa ity. Ny anton'izany dia satria i Toamasina dia voalaza fa manana tanora betsaka manam-pahaizana ka afaka mandray an-tanana ny ho aviny sy ny firenena. " Fanamby napetraky ny fanjakana, izay hanome fitaovana sy tarigetra ho an'ny tanora, ho afaka miatrika ny ho avy amin'ny heriny manokana, ny Skills4Job", hoy ny Minisitra ny MNDPT. Tsara moa ny manamarika fa heverina ny hanaparitahana ny tetikasa amin'ny faritra hafa, aoriana.

Lire la suite

Articles Similaires