• Cours de change
  • 5179.76 AR
  • |
  • $4464.78 AR
Copyright Image : © Meah
Image
Vaovao

Famatsian-drano : Miisa 22 ireo lavadrano efa vita tanteraka tamin’ireo 35 ho aorina eto Analamanga

02/10/2025 12:23 © Moov

Famahana ny olan’ny famatsian-drano ato anatin’ny faritra Analamanga no nananganana ireo lava-drano miisa 35. Amin’izao fotoana izao, raha ny tatitra avy amin’ny Minisiteran’ny rano, fanadiovana sy ny fidiovana dia miisa 22 no efa vita tanteraka.

Distrika miisa 4

Efa nitoetra efa aman-taonany ny olan’ny fahatapahan-drano noho ny tsy fahampian’ny famatsiana, indrindra ho an’i Analamanga. Araka izany, ity vahaolana ity, izay tapaka tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 25 septambra 2024 dia ho vahaolana ho an’ny Distrika miisa 4 ao anatiny. Ao anatin’izany i Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo. Raha tsiahivina dia miisa 7 ho an’Antananarivo Renivohitra, 14 ho an’Atsimondrano, 7 ho an’Avaradrano ary 7 ho an’Ambohidratrimo. Miisa 22 amin’izy ireo no efa vita sy efa miasa dia ny eny Ambolokandrina, Ambohipo, Nanisana, Analamahitsy cité, Ambatolampy Antehiroka, Andranomena, Bemasoandro, Andranonahoatra, Ambodifasika, Antanjona, Amboatavo, Anjanadrambony, Mahitsy, Ambatolampy Avaratra, Antsahafohy, Farahindra, Miadana, Andringitana, Ampiriaka. Ireo ambiny kosa dia efa andalam-pamaranana ny asa, amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana.

Fotodrafitrasa maherin’ny 4 miliara ariary

Raha ny tapaka tamin’io filan-kevitry ny Minisitra io dia asa goavana ireto fanorenana lava-drano ireto. Voalaza mantsy fa mitentina 4.995.019.000 Ariary ny tetibidin’ireo fotodrafitrasa ireo. Etsy ankilany moa dia hamokatra 700m³ isan'andro ireo lavadrano ireo ary olona miisa 24 500 no hisitraka izany.
Raha ny fanazavana avy amin’ny orinasa JIRAMA, dia ahitana tsy fahampiana 100.000m3 ny famokaran'ny tambazotran'ny rano amin'ireo faritra efatra ireo ankehitriny. Ity ezaka fametrahana lavadrano ity araka izany dia hanampy hatramin’ny 700m3 amin’ny famatsiana rano. Afaka hamaha amin’ny ampahany ny olan’ny rano izany ka tsy hiantehatra betsaka amin’ny ranon’ny orinasa JIRAMA intsony ny mponina.

Lire la suite

Articles Similaires