Hetsika fitakiana : Mangataka ny hanomezana an’Ambohijatovo na ny 13 mai ho an’ny tanora ny mpanakanto
Nifampiantso maimaika ny mpanakanto hoy i Théo Rakotovao, ka nanatanteraka resadresaka tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny Kianjan’ny Kanto, mikasika ny toe-java-misy amin’izao fotoana izao eto Madagasikara. Milaza ny hametraka taratasy fangatahana fahazoana alalana hampiasan’ireo tanora an’Ambohijatovo na ny 13 mai, izy ireo.
Hanao dingana samihafa
Saika nahitana ireo mpanakanto avy amin’ny lafy valon’ny Nosy ity fihaonana androany ity. Tao ireo mpanakanto efa zokiny hatramin’ireo vao misondrotra. Raha ny votoatin’ny resaka teny an-toerana dia handray anjara amin’ny fanampiana ireo tanora mpanao fihetsiketsehana sy ireo olona mitovy firehan-kevitra aminy, izy ireo. Mba hahafahana mampanjaka ny fahafahana maneho hevitra dia hikaroka ny dingana hahazoan’ireo tanora ireo maneho hevitra amin’ireo toerana ireo, ny mpanakanto. Ireo toerana ireo izay mana-tantara eto Antananarivo, ka hangatahan’ireo tanora fatratra ny hidirana eo. Hisy ny taratasy izay ho alefan’ireo mpanakanto amin’ireo tompon’andraikitra mahefa sy ireo mpitandro filaminana mba hanome alalana ireo tanora ireo. « Hataonay izay fomba hahazoana io alalana io. Hisy ny dingana samihafa mba hahafahana mahazo izany. Andro iray monja hahafahan’ny tanora miteny ny maharary azy io angatahanay io », hoy i Théo Rakotovao, tamin’ny fandraisam-pitenenany. Mangataka ny hampijanonana ny herisetra, ihany koa izy ireo.
Raharaha-piarahamonina
Raha tsiahivina dia ny jiro sy ny rano no ivon’ny fangatahan’ireo tanora ireo. Izany indrindra no hanohanan’ny mpanakanto azy, izay milaza fa tsy miditra amin’ny tontolon’ny politika. Ny raharaha-piarahamonina no handraisan’izy ireo anjara raha ny fanazavana. « Ny fiarahamonina no mihaino anay ka ny raharaha-piarahamonina no hidiranay ka hanaovanay izany fangatahana izany », hoy i Tence Mena, mpanakanto.
Manoloana izany dia manantena ireto mpanakanto ireto fa hisy ihaino ihany koa satria efa mpihaino ny hiran’izy ireo ihany koa ireo mpanapa-kevitra ireo hatramin’izay. Marihina moa fa iray andro no hangatahin’izy ireo, ho an’ny tanora.