• Cours de change
  • 5179.76 AR
  • |
  • $4464.78 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : Tsy ekena ny Fanonganam-panjakana kendren'olom-bitsy

03/10/2025 13:48 © Moov

Potika tanteraka ny firenena Malagasy, ary tsy hahazo fampindramam-bola intsony, raha sanatria misy ny Fanonganam-panjakana indray eto Madagasikara, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Famotehana ny firenena iniana atao

Miantso ireo tanora, mpanakanto, olo-malaza sy izay rehetra mandray anjara amin'ny Hetsi-bahoaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mba handinika tsara sao "diso fahavalo". Nambarany fa tratran'ny "Cyberattaque" i Madagasikara ka nahazo hafatra hanakorontanana ny firenena ireo tanora, ary ho tonga any amin'ny fanonganam-panjakana mihitsy. Nisy araka izany ny karazana horonantsary nikendry ny hampitroatra ny tanora, manoloana ny fahatapahan-jiro sy rano. Natao ihany koa ny hampisehoana amin'izao tontolo izao fa "KO" i Madagasikara.
Noho izany antony izany indrindra no nanirian'ireo mpanakorontana ny tsy niverenany teto Madagasikara, fony izy tany New York. Nilaza ihany koa ny tenany fa "misy mifofo ny ainy."

Famerenana ny filaminana

Milaza ny handray fepetra moa ny Fitondram-panjakana manoloana ny fanakorontanana ataon'ireo mpanao fihetsiketsehana. Nilaza ny filohampirenena fa efa tonga any aminy ny fikasan-dratsy amin'ny fandorana ny Tranonjiro, ny "Transformateurs" JIRAMA ary ireo fananambahoaka samihafa.
Mitaona ny Malagasy rehetra hiara-mivavaka ihany koa ny filohampirenena Andry Rajoelina, manoloana ny toe-draharaha manahirana eto amin'ny firenena.

Lire la suite

Articles Similaires