Toetr’andro : Any amin’ny faran’ny volana mey any vao mety hiditra amin’ny vanim-potoan’ny ririnina
Manomboka mamirifiry ny andro, indrindra ny alina sy ny vao maraina. Hatreto anefa dia mbola tsy manamarina ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa efa anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina i Madagasikara amin’izao. Mbola mafana rahateo rehefa misandratra ny andro.
Miankina amin’ny valin’ny fanaraha-maso
Na dia efa somary re aza izay hatsiaka izay amin’izao fotoana izao dia mbola eo ho eo amin’ny 19 sy 20°C eo ny mari-pana ambany indrindra, eto afovoan-tany. Manamarika izany, hoy ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa hidirana tsikelikely io ririnina io saingy mbola miankina amin’ny fanaraha-maso ny hanamarinana izany. Hita taratra io fidinana mari-pana io eto afovoan-tany sy any amin’ny tapany atsinanana. Arahi-maso akaiky io fidinana mari-pana io. « Mitohy ny fanaraha-maso amin’izao. Aorian’izany dia tokony misy antontan’isa mivoaka ka rehefa misesisesy izay fidinana mari-pana izay, vao afaka manambara fa tafiditra anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina isika », hoy i Lovandrainy Ratovoarisoa, mpamantatra ny toetry ny andro.
Raha ny fizotran’ny toetr’andro kosa anefa dia tokony hiditra amin’io vanim-potoana io isika amin’ny faran’ny volana mey na fiantombohan’ny volana jona, any ho any, hoy hatrany ny fanazavana.
Hahery ny ranomasina
Mbola ny vanim-potoan’ny rivotra sy ny erika aloha hatreto no mandrafitra ny toetry ny andro, hoy hatrany ny manam-pahaizana. Manoloana izany dia mahazo vahana ny tsioka atsimo rahampitso sy zoma. Tombanana hitondra alondrano any amin’ny morontsiraka atsimo sy atsimo andrefana, afovoany andrefana ary atsimo atsinanan’ny Nosy izany. Hihitatra miandalana any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanan’ny Nosy izany amin’ny faran’ny herinandro. Araka izany, hahery ny ranomasina ka ilaina ny fitandreman’ny mpampiasa azy.
Etsy ankilany moa dia hijanona hafana ihany ny andro aloha ato ho ato. Indrindra ny afovoan-tany sy ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy.