• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Fampianarana teknika : LTP miisa telo nisitraka fanomezana mitentina 16.700.000.000 Ariary avy amin’ny JICA

03/06/2025 10:23 © Moov

Nanatanteraka fifanaovan-tsonia amin'ny fanomezana mitentina 16.700.000.000 Ariary ny JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale) sy ny Governemanta Malagasy, tamin’ny alalan’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Hampiasaina hampivoarana ny Fampianarana teknika io fanomezana io, ary hiendrika fitaovana samihafa.

LTP miisa telo ny mpisitraka

Fitaovana teknika maoderina ho an’ny Lycée Techniques Professionnels miisa telo no ao anatin’izany fanomezana izany. Ahitana fitaovana fanaovana « soudure », momba ny sehatry ny mécanique sy ny elektronika ary fitaovana samihafa, ho an’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Hisitraka azy ireo ny LTP eny Alarobia Ivandry, Ampasampito ary Toamasina. Tanjona amin’ity fanampiana ity ny fanatsaràna ny kalitaon’ny fanofanana ara-teknika. Natao hanomanana sahady ireo tanora mpianatra, hiditra amin’ny sehatry ny asa, ireo fitaovana samihafa ireo. Nanamarika ny Minisitra fa hanova ny fampianarana teknika izy io. « Tsy fitaovana fotsiny ity fanomezana ity fa fanantenana vaovao ho an’ny rafi-pampianarantsika”, hoy i Rabanirinarison Rindra Hasimbelo, nandritra ny lahateniny.
Marihina fa mitohy amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa stratejika teo amin’i Madagasikara sy Japon tamin’ny alalan’ny JICA ny 28 Mey lasa teo ; izay ho fampandrosoana ny sehatry ny Fampianarana Teknika, ity fanampiana miendrika fanomezana fitaovana ity.

Laharam-pahamehana ny tanora

“Mihoatra ny 65 %n’ny Malagasy no latsaky ny 24 taona. Ny fanofanana azy ireo no laharam-pahamehana ho an’ny Fanjakana”, raha ny fanazavana. Mitady asa izy ireo kanefa maro ihany no tsy manana ny fahalalana mifanaraka amin’izany asa izany. Hanampy azy ireo indrindra ireto fampitaovana vaovao ireto. Amin’ny alalan’ity fiaraha-miasa ity mantsy, dia ho lasa « lycées pilotes » ireo sekoly ireo, ary hahafahan’ireo tanora manaraka fiofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny tsena arak'asa ankehitriny.
Nanambara ihany koa i Odawara Kosuke, izay Solontena maharitry ny JICA eto Madagasikara, fa anisan’ny tanjona lehibe apetraky ny fiaraha-miasa Nippo-Malagasy, ny fanohanana ny tanora. Izany dia mba hanamafisana ny harena maha-olona.

Lire la suite

Articles Similaires