• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Dit
Image
Vaovao

Kolontsaina : Mila hampiroboroana ny teny malagasy marina

03/06/2025 16:30 © Moov

Notanterahina androany, teny amin’ny tranombokim-pirenena ny fanokafana ny fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy. Fotoana hanomezan-danja sy hampivoarana io teny, izay ampiasain’ny Malagasy rehetra io ity volana jona manontolo ity.

Mila heverina ny hasiny

Manahy ireo mpampianatra ny amin’ny mety ho fahaverezan’ny hasin’izany teny malagasy izany raha ny fanazavana avy amin’izy ireo. Ahitana teny diso sy sarotra takarina ireo soratan’ny mpampiasa teny malagasy. Misy ihany koa ny manafangaro azy amin’ny teny vahiny, na rehefa manoratra izany na rehefa miteny. Tsikaritra kokoa izany any anatin’ny tambazotran-tserasera, hoy ireo mpampianatra ireo. « Raha miparitaka be ny fanatontoloana dia mampatahotra ahy hoe tsy ho velona intsony ny teny malagasy », hoy ity mpampianatra iray.
Manolona izany anefa dia mbola azo harenina izany, amin’ny alalan’ny vahaolana samihafa. « Mila haverina amin’ny laoniny mihitsy ny teny malagasy. Hampiroboroboana ny fampiasana azy manomboka any am-pianarana, mitohy eny anivon’ny fiaraha-monina. Izany hoe tokony velomina hatrany ny teny mba tsy ho very », hoy hatrany ny tenany.

Boky « ndao hahitsy ny diso »

Isan’ny mandray anjara mavitrika amin’izany famerenana ny hasin’ny teny izany ihany koa ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ka namoaka ny boky enti-tanana « ndao hahitsy ny diso ». Maro loatra ny fahadisoana mateti-pitranga amin’ny haino aman-jery sy hataon’ireo mpisehatra samihafa. « Efa miezaka manofana ireo mpisehatra, mampiasa ny teny malagasy, toy ny mpikabary, mpanoratra, mpamoaka boky, mpisehatra amin’ny haino aman-jery saingy tsy ampy izany », hoy i Andriamifidy Bakolilalaina, Tale misahana ny fampiroboroboana ny teny malagasy. Tsy afa-po tamin’izany, araka izany izy ireo ka namoaka ity boky ity. Ahitana fanitsiana ireo diso mateti-pitranga, hataon’ireo mpisehatra, ao anatin’io boky io.
Ho afaka ampiasain’ny rehetra ihany koa anefa, ilay boky, amin’ny maha boky enti-tanana azy. Isan’ny ezaka hiraisana rahateo ny fampiroboroboana ny teny malagasy marina sy voahitsy ka tokony ho ampiasaina isan’andro.

Lire la suite

Articles Similaires