• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Choisircom
Image
Vaovao

JIRAMA : Mbola mitohy ny "Délestage tournant"

03/06/2025 21:19 © Moov

Mbola tsy manam-bahaolana hamahana tanteraka ny fahatapahan-jiro ny JIRAMA hatreto. Ato ho ato aloha, samy tsy maintsy miatrika fahatapahan'ny herinaratra mifandimby ny eto Antananarivo sy ny manodidina.

Mitombo 5% isan-taona eo ho eo ny filàna amin'ny famatsiana herinaratra, noho ny fitomboan'ny mponina. Etsy ankilany nefa, miha-kely ny orana azo. Ny maintany no mibahana kokoa ka mihena ny herinaratra vokarina. Tsy azo lavina rahateo ny fahanteran'ny fitaovana sy ny fahalafosan'ny fikarakarana izany. Mihena atsasany araka izany ny famokarana herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina, araka ny nambaran'ny Tale lefitra misahana ny famatsiana herinaratra eo anivon'ny Jirama, Andriamatoa Manda Ny Aina Nomena.

Fahatapahana mifandimby

Misedra fahatapahan-jiro avokoa ny toerana rehetra fa tsy misy "zone prioritaire". Maharitra eo ho eo amin'ny adiny roa eo izany amin'ny ankapobeny. Ho an'Atsimondrano nefa, mbola misy ny fahasimban'ny transformateur TR1 Tana-Sud ka maharitra kokoa ny fahatapahan-jiro. Voakasik'izany ny eny Anosizato, Ampitatafika, Fenoarivo, Imerintsiatosika, Arivonimamo hatrany Ampefy sy Soavinandriana. Efa eo andalam-panamboarana izany fitaovana simba izany moa ny avy eo anivon'ny Jirama.
Tsiahivina fa mbola olana goavana ihany koa ny tsy fahampian-drano fisotro madio. Rehefa kely ny famokarana herinaratra dia tsy ampy entina manosika ireo milina isan-karazany. Noho izany, mbola miasa avokoa ireo kamiao lehibe mpitatitra rano, mameno ireny "bonbones" lehibe saika isam-pokontany ireny.

Angovo azo havaozina

Zary fahazarana ny fahatapahan-jiro ka samy efa mitady vahaolana ny tokantrano tsirairay. Koa satria mihalafo hatrany ny solika fandrehitra, ny angovo azo havaozina no tena azo trandrahina tsara. Efa mihamaro ireo vokatra mandeha amin'ny herin'ny masoandro. Hita eny an-tsena rehetra eny ohatra ny takamoa na radio misy "plaque solaire" kely, ka azo ampiasaina amin'ny fotoana rehetra. Mihamaro ihany koa ireo tokantrano mividy fitaovana hahazoana herinaratra amin'ny herin'ny masoandro, dia tsy inona izany fa ny "plaque solaire". Efa misy lehibe sy matanjaka ny karazana "plaque solaire" ka misy mahazaka fahitalavitra sy vata fampangatsiahana. Andrasan'ny maro moa ny fametrahana ny "Parc Solaire" lehibe hamokatra herinaratra 100 MW eny Ivato, mba hampitombo ny famokarana angovo.
Na eo aza ny angovo azo havaozina, mbola miankindoha tanteraka amin'ny herinaratra vokarin'ny Jirama ny 90%-n'ireo mponina eto Antananarivo sy ny manodidina, indrindra ireo mpiasa tena. Tsy voatery takatry ny fahefa-mividy rehetra mantsy ny "groupe électrogène" na "plaque solaire" raha toa ka matanjaka ireo fitaovana ampiasaina.

Lire la suite

Articles Similaires