• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Aubergelacaverne.Com
Image
Madagasikara

Fialan-tsasatra : Ny fandaniana omanina ho an’ny mpianakavy

15/02/2023 10:13 © Moov.Mg

Ny fandaniana no anisan’ireo singa lehibe mila omanina mba hampizotra tsara ny fialan-tsasatry ny mpianakavy. Hanampy betsaka hisorohana ny tsy fahampiana sy ny fihafiana be loatra izany mandritra ny dia. Ireto avy ary ny fandaniana ankapobeny omanina rehefa hande hiala sasatra ny ankohonana.

Ny fitaterana

Maro ireo fitaterana afaka safidiana rehefa handeha hiala sasatra tsy mivoaka ny nosy ny mpianakavy. Afaka ny mitondra ny fiara ao an-trano. Ny fandaniana omanina voalohany araka dia ny solika ampy ho an’ny lalana sy ny fivezivezena any an-toerana. Raha te hanofa fiara manokana kosa dia mila kajiana ny hofan’ny fiara sy ny solika ilaina. Raha toa ka handeha taxi-brousse dia ny saran-dalana no mila omanina. Ho an’ireo manana fahefa-mividy dia azo atao tsara ny mandeha fiaramanidina ary manomana ny saran-dalana mifandraika amin’izany. Tsy adinoina ihany koa ny saran’ny fitaterana ho an’ny fivezivezena rehefa eny an-toerana, toy ny posiposy, ny tuktuk, ny fiarakaretsaka…

Ny trano fivahinianana

Anisan’ny fanadiana lehibe amin’ny fialan-tsasatra ny saran’ny trano fivahinianana. Tsara kokoa raha mijery toerana mifanaraka amin’ny enti-manana ny mpianakavy. Maro ireo sokajin-trano afaka isafidianana. Miankina betsaka amin’ny toerana hialana sasatra kosa anefa izany. Raha tena manify ny vola am-pelatanana dia afaka mivahiny amin’ireny masera na sekolim-panjakana mampanofa efitrano ireny. Maro ihany koa ny tolotra azo isafidianana eny amin’ireny trano fandraisam-bahiny ireny. Kajiana araky ny isan’ny alina hatoriana moa ny saran’ny fivahiniana amin’ny toerana iray.

Ny sakafo sy ny fialamboly

Voakajy ao anatin’ny fandaniana amin’ny fialan-tsasatra ny sakafo sy ny fialamboly. Ny sakafo eny an-dalana, ny sakafo maraina, ny sakafo atoandro, ny sakafo hariva sy ny tsakitsaky dia mila kajiana tsara mialoha ny fiaingana. Afaka atao ny mahandro sakafo mba hampiena ny fandaniana. Ny vidin’ny entana vidiana eny an-tsena no homanina. Raha misafidy hisakafo eny amin’ny toeram-pisakafoana dia mila manokana vola amin’izany. Tsy adinoina ihany koa ny manomana vola hatokana amin’ny fialamboly misy sarany mety ho atao eny an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo