• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Quora
Image
Sexualité & Mariage

« Attouchements sexuels » : Fihetsika voasokajy anatin’ny herisetra ara-pananahana

19/04/2023 15:42 © Moov.Mg

Maro ireo olona mieritreritra fa ny fanolanana ihany no atao hoe herisetra ara-pananahana. Endrika herisetra ara-pananahana ihany koa anefa ny « attouchements sexuels ». Tsy azo amaivanina ity fihetsika mamohetra olona ity ary voararan’ny lalàna rahateo. Fa inona tokoa no atao hoe « attouchements sexuels » ? Inona no voalazan’ny lalàna mahakasika izany ? Inona no mety fiantraikany eo amin’ny olona niharany ? Ary olona manao ahoana no mety mampihatra izany herisetra izany ?

Inona no atao hoe “attouchements sexuels” ?

Sokajiana ho attouchements sexuels ny fihetsika minia mikitika olona iray tsy nahazoana alalana avy aminy. Ireo faritra ara-pananahana toy ny nono, ny fitombenana, ny mahavehivavy na ny mahalehilahy no voakasik’izany. Marihina fa mbola voasokajy ho attouchements sexuels hatrany na misy akanjo manasaraka ary. Izany hoe tsy voatery hoe mikasika ny hoditr’ilay olona ny tanan’ilay mpanao herisetra vao hoe nanao « attouchements sexuels ».
Lazaina fa herisetra ity farany noho izy tsy nahazoana alalana avy amin’ny olona niharany. Izany hoe, notanterahina an-keriny, tao anaty fampitahorana na fandrahonana, na ihany koa natao tampoka. Fihetsika mamohetra olona ary mamoafady voafaritra ho herisetra ara-pananahana mitovy lanja amin’ny fanolanana ihany ny attouchements sexuels.
Tsara ny mampahafantatra fa tafiditra anatin’ny herisetra ara-pananahana ihany koa ireto fihetsika voalaza manaraka ireto :
-Fampisehoana ny taovam-pananahana amin’ny olona iray tsy te hijery izany na fampisehoana ny taovam-pananahana eny an-kalamanjana ;
-Ny fanaovana “masturbation” manoloana ny olona iray, eny fa na olontiana ary, ka tsy nahazahoana alalana avy aminy.

Inona no voalazan’ny lalàna velona eto Madagasikara mahakasika ny herisetra ara-pananahana ?

Araky ny lalàna faha-2019-008, Lohateny II, And 9 “Izay rehetra manao fihetsika sy/na mamoaka teny ka mitarika fahavoazana eo amin’ny fahasalamana ara-moraly, ara-tsaina na ara-batana ho an’ny niharam-boina dia saziana iray taona ka hatramin’ny telo taona an-tranomaizina sy lamandy 200.000 Ar hatramin’ny 2.000.000 Ar”
And 11 “Lazaina ho faniratsirana mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy, izay rehetra teny avoaka na fihetsika atao maka endrika fanavakavahana mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy atao amina olona iray ka mitera-pahavoazana amin’ny maha-izy azy noho izany fihetsika izany mampihetry na manambany, na miteraka ho an’ny tenany toe-javatra mampatahotra, feno fankahalana na manafintohina izay saziana lamandy 100.000 Ar hatramin’ny 500.000 Ar”

Inona no atao raha niharan’ny attouchements sexuels ?

Toy ny karazana herisetra rehetra dia mety misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batan’ilay olona niharam-boina ny attouchements sexuels. Mahatsapa tena fa voaloto ary mahatsiaro tena ho voahosy ny zo maha olona azy. Mety miteraka ratram-po izany raha kobonina ao anaty. Matetika tsy masahy mitoroka nohon’ny henatra na ny tahotra.
Araka ny voalaza etsy ambony anefa dia voasazin’ny lalàna ny attouchements sexuels. Mila masahy mitory ny niharam-boina fa tsy manaiky hiharan’ny ramatahora. Ny fanjakana kosa etsy andaniny mila mijoro sy mandray fanapahan-kevitra mba hamongorana ny tsy maty manota sy hisorohana ny firongatr’izany herisetra ara-pananahana izany.

Inona no mahatonga ny lehilahy mikitikitika vehivavy ?

Tsy mitsaha-mitombo ireo vehivavy mitaraina amin'ny tambazotran-tserasera fa nisy lehilahy nikitika teny an-dalambe na tany anaty fiara fitaterana. Misy ireo lehilahy no manararoatra tsotr'izao, ao ihany koa nefa ireo mihevitra fa sangisangy ny mikitikitika rehefa manadala tovovavy na vehivavy mahafinaritra eny an-dalana. Ao ihany koa ireo tsy manaja olona mihitsy noho ny fanabeazana tsy ampy ka mihevitra fa azo atao daholo izay tiany na dia miendrika herisetra aza. Misy kosa nefa ireo manana aretin-tsaina mila tsaboina noho ny fifantohana loatra amin'ny fahafinaretana ara-nofo. Azo lazaina fa misy amin'ireny lehilahy manao herisetra amin'ny vehivavy ireny no "pervers sexuel". Ny sasany moa dia manambady ara-dalana sady olon-dehibe manana ny hajany eo amin’ny fiaraha-monina saingy te hitsapatsapa ireo tovovavy mety hanaiky hiaraka aminy.
Ho an’ireo ray aman-dreny manan-janaka lahy, tsara ny mampahafantatra azy ireny fa tsy azo atao ny mikitika vehivavy tsy nahazoana alalana. Ho an’ireo olon-dehibe kosa, ilaina ny manaja ny tena sy ny hafa. Fihetsika heverina ho sangisangy mantsy dia mety handoavana volabe sady higadrana taona maro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo