Moov Confidences : "Homosexuel" ny vadiko, lehilahy ny rafiko
Vady mampirafy ? Mety zakako ihany. Saingy efa sangy mihoatra ny loha ny an-drangahy vadiko. Lehilahy no miaraka aminy. Lehilahy ny rafiko. Lehilahy ny sipan'ny vadiko.
Tsy mba irony vehivavy maimaika hanambady irony aho. 18 taona aho no afaka bakalorea. Tamin'ny andronay, mbola afenina mafy izany hoe "manao sipa" izany, na dia efa ampy taona izao aza. Noho ny aretina nahazo ahy, nijanona tsy nianatra roa taona aho. Efa ho 21 taona aho izany vao niditra teny Ankatso. Tsy dia naharaka firy ka namerin-taona tamin'ny taona voalohany sy faharoa, izany hoe 26 taona vao nahazo "Licence". Efa niasa aho, izany hoe handray 28 taona, vao nanana olon-tiana. Io olon-tiako voalohany io no lasa vadiko. Indrisy nefa, vao nivady telo taona mahery kely izahay dia tratrako nampirafy izy. Tsy mba tamin'ny vehivavy fa tamin'ny lehilahy !
Andrakandrana tsy voafehy
"Bandy sahisahy" izay izy. Anisan'ny nitiavako azy mihitsy ny fahaizany manaitaitra ahy. Tonganay avokoa izay toerana mahafinaritra rehetra nilalaovanay fitia : samy tsy sarotiny ny ray aman-dreninay fony mbola tsy vita raharaha.
Tsy mbola "nahay" izany firaisana ara-nofo izany aho satria mbola tsy nanao sipa mihitsy. Izy izany no nampianatra ahy ny zava-drehetra. Tena efa "mahay azy" kosa aloha izy satria tsy mba nahatsapa narary izany aho tamin'izahay niray ara-nofo voalohany. Raha fahafinaretana kosa aloha, hainy tsara ny manome azy. Nahazatra anay ny mijery irony horonantsary ho an'olon-dehibe ireny. Faly ery izahay nanandrakandrana fomba firaisana tsy dia be mpanao firy. Tsy mifampihafahafa mihitsy izahay roa : tena niezaka naka fafiny mihitsy.
Rehefa nanan-janaka izahay, izany hoe nanomboka bevohoka aho, herintaona taorian'ny mariazinay, niova kely ny fiainana tao an-trano. Niato mihitsy moa izany ny fanaovana firaisana ara-nofo satria nanana olana ara-pahasalamana aho. Nanomboka efa-bolana ny kiboko no tsy afaka nikasika ahy intsony izy. Nanomboka teo no nisy fiovana izy : lasa kizitina sy tsy azo ifandaharana. Matetika izy no matory any amin'ny "salon". Aleony mijery fahitalavitra dia mijanona eo mandra-maraina. Toa nandeha be ny fotoana satria miala maraimbe izy dia alina be vao mody. Izaho moa tsy afa-nihetsika firy, sady nisy mpiandry marary mihitsy.
Indray alahady hariva, nitondra namana tao an-trano izy. Tsy nisy nahasarotiny ahy mihitsy satria lehilahy ilay namany. Mpiara-mianatra taminy taloha hono ilay lehilahy. Nivezivezy tao an-trano mihitsy io olona io, ary toa lasa fianakaviana akaiky. Tamin'izaho teraka aza dia nanampy anay tokoa ilay lehilahy. Rehefa niverina niasa moa aho rehefa avy teraka kelikely, matetika dia hitako ao an-trano izy roalahy amin'ny hariva.
Aretina tsy azo tsaboina
Na dia efa niverina tamin'ny laoniny aza ny toe-batako, toa tsy nahataitra ny vadiko akory ny hikasika ahy. Ny vatako nefa tsy niova firy, sady tena nikarakara endrika amam-bika tokoa aho. Nizaka niresaka aho, saingy very maina. Tsy aritro intsony ny filàna tsapako ka izaho mihitsy no nanaitra azy : tsy nety mihitsy izy. Tsy latsaky ny in-dimy aho no efa "nandrangitra" azy … Nividy "lingeries sexy" mihitsy aza aho, sao izay no mba hamelomana ny afon'ny filàny indray.
Nanomboka teo dia azoko antoka fa niaraka tamin'olon-kafa izy. Lehilahy tena "mahay mampirevy" tokoa izy ka tsy azo heverina izany hoe maty tanteraka izany ny filàny. Nanara-maso aho, eny nisava ny findainy mihitsy, saingy tsy nahita na inona na inona. Namana iray ihany no tena mba mpiaraka aminy sy andaniany ny androny, dia ilay lehilahy efa toy ny fianakavianay mihitsy.
Indray maraina, naheno fofona maimbo be aho : noheveriko fa ni-cacà ilay zazakely ka tsy dia taitra firy aho. Rehefa nitsangana aho nefa, ny fandriananay mivady mihitsy no feno maloto. Teo aho vao nikoropaka namoha ny vadiko nefa tsy nahatsiaro tena akory izy sady nihosina maloto. Soa fa nipetraka tsy lavitra anay ny rahalahiny ka afaka nanampy ahy nitondra azy tany amin'ny hopitaly. Rehefa nataon'ny dokotera ny fizahana dia voalaza fa "malalaka" ny lavaka fivoahan'ny malotony, izany hoe tsy mety mikatona intsony. Mandeha ho azy izany ny malotony, ka tsy maintsy manao "couche" mandra-pahafatiny. Kepoka aho, hafahafa rahateo ny fijerin'ilay dokotera ahy.
Teo vao nipoitra ny marina rehetra. Toa tsy nila nanontany akory aho : fantatro avy hatrany fa ilay namany tsy misaraka aminy mihitsy no miaraka aminy. Rikoriko tanteraka aho, ary tena zarako aza tsy mbola nahita ny "action" nataon'izy ireo. Na dia nifona aza ny vadiko, tsy nety tamiko intsony ny niara-niaina taminy. Tsy noho izy lasa mitondra takaitra akory, fa noho ny tsy fahaizany nifehy ny tenany sy ny filàny. Mbola manontany tena aho hoe: raha vehivavy ve no niaraka taminy dia mety nandefitra aho ? Asa re. Tena niova ny fiainana ankehitriny. Na dia tsy mba tery saina amin'ny resaka firaisana ara-nofo aza aho, tsy eken'ny saiko ny mieritreritra olona mitovy fananahana miaraka.
Inona no nataonao raha teo amin'ny toerako ?