• Cours de change
  • 5112.07 AR
  • |
  • $4416.31 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Sexualité & Mariage

« Andrologue » : mpitsabo manokana momba ny fahasalaman’ny lehilahy

14/07/2025 14:34 © Moov.Mg

Mpitsabo manokana na « spécialiste médical » mbola vitsy mpahafantatra ny « andrologue ». Izy io no mpitsabo manokana ny fahasalaman’ny lehilahy raha toa ny « gynécologue » izany ho an’ny vehivavy. Andeha ho resahana eto ary ny mikasika ny asan’ny « andrologue ».

Inona no atao hoe « andrologue » ?

Ny « andrologie » dia sampana iray ao amin’ny fitsaboana izay mifantoka amin’ny fahasalaman’ny taovam-pananahana sy « urologique » ny lehilahy. Azo lazaina ho mitovy amin’ny « gynécologue » eo amin’ny vehivavy arak’izany ny « andrologue », fa kosa ho an’ny lehilahy manokana. Izy io no mandray an-tanana ny olana amin’ny taovam-pananahana, ny fikorontanan’ny hormonina ary ny « fertilité » eo amin’ny lehilahy. Ankoatra izay dia izy ihany koa no manampy amin’ny fitsaboana ny olana ara-nofo samihafa mahakasika ny lehilahy.

Inona avy ireo aretina tsaboina amin’ny « andrologie » ?

Maro arak’izany ireo karazana aretina na olana ara-pahasalamana mahavoa ny lehilahy ka mampanantona « andrologue », anisan’izany ny :
-Famantarana sy fitsaboana ny « infertilité » eo amin’ny lehilahy. Izany dia ahitany ny famakafakana ny tsirinaina (spermograme), ny fitadiavana ny antony mahatonga ny tsy fahafahana miteraka, toy ny olana amin’ny famokarana tsirinaina, ny fahasembanana ara-drafitra, na ny olana eo amin’ny hormonina ;
-Fitsaboana ny olana ara-pananahana (dysfonction sexuelle). Anisan’izany ny tsy fienjanan’ny filahiana, ny fivoahan’ny tsirinaina aloha loatra, na ny fihenan’ny filàna ara-nofo ;
-Fanaraha-maso sy fitsaboana ny aretina amin'ny taovam-pananahana lahy, toy ny aretina amin'ny « testicules », aretina amin'ny « prostate », aretina azo avy amin'ny firaisana (MST), ary ny homamiadan'ny taovam-pananahana lahy ;
-Famantarana sy fitsaboana ny tsy fahatomombanana eo amin’ny hormonina lahy toy ny « testostérone » amin’ny tahany ambany.

Lire la suite

Articles Similaires