• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Rci
Image
Sexualité & Mariage

Ireo torohevitra mahasoa raha te hiteraka kambana

18/04/2023 08:46 © Moov.Mg

Maniry ny hiteraka kambana ve ianao ? Ireto ary misy torohevitra afaka manampy anao atongavana amin’izany.

Mihinana vomanga sy oviala matetika raha te hiteraka kambana

Araka ny fikarohana ara-tsiansa dia manampy betsaka amin’ny fahazoana kambana ny fihinana vomanga sy oviala matetika. Mitahiry horomone antsoina hoe IGF na "Insuline like Growth Factor" ireo akora ireo. Ny IGF moa dia hormone manakaiky ny « oestrogène » ka misy fiantraikany amin’ny fadim-bolana. Raha ny marina kokoa dia mandrisika ny « ovulation » na ny fotoana mahalonaka ny vehivavy ny IGF. Rehefa izany dia mitombo ny isan’ny « ovules » mivoaka rehefa tonga ny fotoana mahalonaka ka ambony kokoa noho izany ny chance raha te hiteraka kambana. Ahitana IGF ihany koa ao anatin’ireo vokatra avy amin’ny ronono toy ny fromage, yaourt…

Mihinana sakafo be vitamine B9

Manampy amin’ny fahazoana kambana ihany koa ny fihinana sakafo ahitana vitamine B9 na acide folique. Manatsara sy mandrisika ny fiasan’ny ovaire tokoa mantsy ireto farany. Izany hoe afaka mamoaka ovules maromaro ny ovaires rehefa tonga ny fotoana mahalonaka ny vehivavy. Anisan’ny sakafo ahitana vitamine B9 ny atina akoho, foie gras, persil, épinard, anandrano, voanjo, tsaramaso, laisoa, betterave ary ny choux fleur sy brocoli mantamanta. Azo atao ihany koa ny mihinana « compléments alimentaires » mitahiry vitamine B9 sy acide folique. Tsara kosa anefa raha manantona mpitsabo vao mihinana azy ireny.

Manaraka « traitement de fertilité » na manao « Fécondation In Vitro »

Ny « traitement de fertilité » dia fitsaboana mandrisika ny ovulation amin’ny alalan’ny fihinanana fanafody. Ny « Fécondation In Vitro » kosa dia teknika iray hampionana ny ovule sy ny tsirin’aina ivelan’ny vatana mba ahazoana « embryon ». Ity farany no averina apetraka ao amin’ny tranon-jaza. Efa misy manao Fécondation In Vitro ny hôpitaly eto Antananarivo fa mbola lafo dia lafo ny saran’izany. Mampitombo ny chance hiterahana kambana ny fanaovana ireo fitsaboana ireo.

Fanamarihana

Manampy amin’ny hahazoana kambana ireo torohevitra voalaza ireo nefa kosa tsy manome antoka 100%. Misy lafin-javatra hafa mila jerena ihany koa raha te hiteraka kambana :

Ny « hérédité » : ireo olona misy kambana maro ao amin’ny fianakaviana matetika no manana chance ambony hiteraka kambana. Ny vehivavy manana kambana ohatra dia manana chance hatramin’ny 95% hahazo kambana ihany koa.

Ny taonan’ny vehivavy : voaporofo ara-tsiansa fa mitombo 20% ny chance hiterana kambana ho an’ny vehivavy raha maherin’ny 40 taona izy no miteraka. Ny fiakaran'ny hormonina mandrisika ny ovulation FSH (hormone folliculo-stimulante) no anton’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo