• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Top Santé
Image
Reny&Zaza

Matory miaraka amin’ny zaza eo an-tratra : tandremo fa mety mampidi-doza !

26/03/2025 11:32 © Moov.Mg

Maro amintsika ray aman-dreny ny mampatory ny zazakely eo an-tratrantsika mba ahazoany torimaso. Misy fotoana nefa isika dia miara-renoka aminy eo. Fihetsika iray eritreretina ho tsy misy ahiana izy io nefa dia tena mety mampidi-doza tokoa raha tsy voatandrina tsara. Andeha ary ho resahana eto ireo mety ho « risques » ny fatoriana miaraka amin’ny zaza atao eo an-tratra.

Mety ho sempotra ny zaza

Ny fatorian’ny zaza mitohoka miankina eo amin’ny tratan’olon-dehibe dia mety mitarika fahatsentsenan’ny taovam-pisefoany ka hanempotra azy. Fihetsika tsy niniana, ondana nihetsika na sandry diso fipetraka… dia mety hanakatsakana ny « respiration » ny zaza. Vao maika mitombo ny « risques » raha toa ka vizaka be ilay olon-dehibe hatoriany, mihinana fanafody mampatory, nisotro toaka… ka mety tsy hatandrina rehefa renoka.

Fiakaran’ny hafanan’ny vatana (hyperthermie)

Ny hafanan’ny vatan’ny olon-dehibe, rehefa mitambatra amin’ny hafanan’ny zaza matory eo an-tratrany, dia mety mitarika hafanana be, indrindra raha tsy mihibokiboka ilay efitra na koa miara mirakotra izy mianaka. Amin’ny mbola marefo ny zazakely dia mety tsy hazaka io hafanana be tampoka io izy ka mety harary.

Fianjerana

Na dia mitandrina tsara ary ny olon-dehibe hatorian’ny zaza eo an-tratrany dia mety hivadika na hihetsika be tampoka izy rehefa renoka. Vokatr’izany dia mety hianjera olay zazakely. Mety ilay zaza ihany koa no hietsika tampoka anatin’ny torimasony ka tsy ho voakaly na ho voatazon’ilay olona hatoriana raha tafatory ihany koa izy.

Ireo torohevitra hazoan’ny zaza torimaso azo antoka

Ny fomba fatoriana azo antoka sy mety indrindra ho an’ny zazakely dia ny matory miorirana eo ambony fandriana misy « barreaux » mitazona tsara, tsy misy ondana ary miaraka amin’ny lamba firakotra matevina.
Raha te hifampitositosy amin’ny zazakely dia azo ampatoriana eo an-tratra izy mandritra ny andro, rehefa mifoha tsara sy mailo tsara ny tena.

Lire la suite

Articles Similaires