« Epilation » na fanalana volo mandritra ny fitondrana vohoka : ireo tsara fantatra
Mitondra fiovana maro eo amin’ny vatan’ny vehivavy ny fitondrana vohoka noho ny fikorontanan’ny hormonina, ka anisan’izany ny volo amin’ny vatana na ny « pilosité ». Mety izy ireo lasa matevina, mora maniry be… Manoloana izany dia maro ireo bevohoka manontany tena hoe tsy misy atahorana ve ny « épilation » na ny fanalana volo mandritra ny fitondrana vohoka ?
Ireo fomba fanalana volo azo atonka mandritra ny fitondrana vohoka
Amin’ny ankapobeny dia tsy misy fomba fanalana volo na « épilation » tsy azo ataon’ny bevohoka. Mila tandremana tsara kosa nefa ny « produit » ampiasaina sao misy akora simika tsy mety amin’ny bevohoka. Anisan’ireo fomba fanalana volo mety amin’ny bevohoka ary ny :
Miaratra. Izy io no tsotra sy tsy misy atahorana indrindra. Vetivety dia vita sy tsy marary, nefa kosa mora maniry ny volo avy eo. Mazava ho azy fa hareza madio tsara no ampiasaina ary hamandinina ny hoditra rehefa vita mba tsy ho « irritée ».
-« Cire ». Mety foana na « cire » mafana na mangatsiaka no anongotana ny volo. Mety marary kokoa ny mampiasa azy ireo satria marefo kokoa ny hoditra mandritra ny fitondrana vohoka.
-« Crèmes dépilatoires ». Tsy tokony hisy atahorana ny mampiasa azy ireny rehefa bevohoka. Mila safidiana tsara kosa nefa ny « crèmes » mety amin’ny bevohoka, izany hoe tsy misy akora simika mahery loatra.
-« Epilateur électrique ». Afaka ampiasain’ny bevohoka izy ity fa mety marary kokoa noho ny mahazatra ny manala volo aminy.
Rehefa mihalehibe ny kibo dia lasa sarotra ho an’ny bevohoka ny manala ny volo amin’ny vatana, indrindra ny eo amin’ny elakelam-pe. Tsara arak’izany raha mangataka fanampiana amin’ny vady amin’ny fanatanterahana izany mba hisorohana ny mety ho ratra, rehefa mampiasa hareza ohatra. Raha azo atao dia manantona matihanina amin’ny fanalana volo raha te hanao « épilation » amin’ny « cire ».
Ny fomba fanalana volo mila fadiana rehefa bevohoka
Ireo notanisaina teo ambony ireo no fomba fanalana volo mahazatra sy fampiasa indrindra. Misy ihany koa nefa ireo fomba hafa, efa malaza any ivelany, izay mampiasa teknika avo lenta toy ny « épilation laser et lumière pulsée ». Tsy mety amin’ny bevohoka ny manao azy ity noho ny fikorontanan’ny hormonina izay mety misy fiantraikany amin’ny lokon’ny hoditra sy mampitombo ny « risques de brûlures ».