Fiarahamonina : ireo fahaiza-miaina tokony hajaina rehefa hamangy tera-bao
Fomba amam-panao isan’ny hitandrovana ny fiavanana ataontsika Malagasy ny mamangy rehefa misy tera-bao. Tsara tokoa ny manome ro-patsa na fanomezana ho an’ny reny sy ny zaza ary tena ankasitrahan’izy ireo izany. Etsy andaniny nefa misy ireo fihetsika tsy tandrina ataon’ny mpamangy mety manahirana na manafintohina ao anatin’izany. ‘Ndeha ary ho resahana ireo fahaiza-miaina tokony hajaina rehefa mamangy tera-bao.
Milaza mialoha rehefa hamangy
Marina fa ao an-trano foana ny reny mifana sy zaza vao teraka ka eritreretina tsy atahorana tsy hahita azy raha tonga mamangy tampoka. Marihana nefa fa manana ny fandaharam-potoany ny tera-bao ary mety mila fotoana kely izy handamindaminany ny ao an-trano raha misy mpamangy ho avy. Mety hahamenatra azy ny ahitan’ny mpamangy trano mikorontana ohatra.
Safidiana tsara ny fotoana hamangiana
Ekena fa samy manana ny asa aman’andraikiny avokoa ny tsirairay ka mety ho teritery ny fotoana hahafahana mandeha mamangy tera-bao. Mba ho fitsinjovana ilay reny sy zaza nefa dia tsara hatrany raha mba safidiana ny fotoana hamangiana. Izany hoe tsy atao alina loatra satria mila maka aina ny reny rehefa mba matory ny zaza. Tsara ihany koa raha tsy atao ela loatra ny famangiana satria sady mbola reraka ny tera-bao no mety mbola misy fikarakarana ny zaza mila ataony.
Tandrovana ny fahasalaman’ny zaza rehefa mamangy
Tsy sanatria sarotiny loatra ny reny raha toa ka tsy mamela ny mpamangy hitohoka be na hanoroka ny zaza vao teraka. Mbola marefo ny zaza menavava ka mora andairan’ny aretina. Ankoatra izay dia tsy tsara mamangy tera-bao raha voan’ny sery na gripa mba tsy hampindrana izany na amin’ny reny na ny zaza. Raha maniry handray ny zazakely dia sasana tsara aloha ny tanana. Tsy mikiry handray ny zaza raha mbola matory na raha mbola minono.
Fanomezana ilaina sy mahasoa no atolotra
Efa maro tokoa ankehitriny ireo karazana fitaovana ho an’ny reny sy ny zaza hita eny an-tsena rehetra eny. Raha maniry hanome fanomezana rehefa mamangy tera-bao dia kendrena mba ho zavatra ilaina sy mahasoa no atolotra. Miankina amin’ny enti-manana hatrany moa izany ka tsy voatery zavatra lafovidy. Azo atao ohatra ny manome bà kiraro kely, bonnet, servieta kely, akanjo... Azo atao tsara ihany koa ny mitondra « goûter » ho an’ny reny. Mazava ho azy fa raha tsy mahita zavatra atao fanomezana dia mety ihany koa ny manome vola ho solon-dro-patsa.