• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fée Des Nuits
Image
Reny&Zaza

Zaza taitra maraina be : torohevitra hampaharitra ny torimasony

17/03/2025 14:11 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra mahafaly ny ray aman-dreny ny hoe mahavita matory alina tontolo ny zazakely. Izany hoe tsy mifoha raha tsy maraina ny andro. Na matory tsara azy izy ireny amin’ny alina dia mety hifoha maraina be ihany koa ka lasa tsy ampy torimaso ny ray aman-reny. Ireto manaraka ireto ary misy torohevitra mba tsy hampifoha maraina be loatra ny zazakely.

Alamina tsara ny toerana fatorian’ny zaza mba tsy ho taitra maraina be izy

Toe-javatra fahita ny zaza taitra maraina be. Ny zavatra voalohany tokony atao mba hampaharitra ny torimasony amin’ny alina dia ny fampatoriana azy amin’ny toerana mampatory tsara. Izany hoe atao maizina tsara ny efitrano hatoriana satria mety hahataitra azy ny hazavana. Atao milamina tsara, lavitry ny tabataba ihany koa izy rehefa matory. Ankoatra izay dia ezahana tsy atao mafana loatra na mangatsiaka satria raha tsy mahazo aina izy dia ho taitra ho azy.

Ovaina ny ora hampatoriana ny zaza amin’ny hariva

Eo amin’ny zaza sasany dia ampy azy ny torimaso adiny 9 na 10 ora isan-kalina. Raha toa izany ka ampatoriana amin’ny 7 ora hariva ny zaza ka mifoha amin’ny 5 ora maraina dia midika izany fa efa ampy tory izy. Hita taratra eo amin’ny fihetsiny rahateo moa io fahampiany tory io satria milamina tsara izy rehefa taitra. Mba tsy hampifoha maraina be ny zaza ary dia tsara raha ahemotra tsikelikely ny ora hampatoriana azy, ohatra hoe ahemotra 15 minitra mandra-pahatonga izany ho adiny 1. Tsara ihany koa raha tsy atao maharitra loatra ny ora fatoriany atoandro satria mety ho lasa tsy mahita tory izy amin’ny alina.

Atao voky tsara ny zaza vao ampatoriana

Ny fomba iray manampy mba hampaharitra ny torimason’ny zaza amin’ny alina ny fanomezana azy sakafo mahavoky azy tsara alohan’ny hatory. Matetika tokoa mantsy ny hanoanana vao maraina no manaitra ny zaza aloha be. Ho an’ireo latsaky ny 6 volana dia atao voky nono na solon-dronono tsara ny zaza vao ampatoriana. Tokony efa misy ora voafaritra sy tsy miovaova hanatanterahana izany mba hanazarana azy. Ho an’ireo efa misakafo dia atao voalanjalanja tsara sy tsy mavesatra ny sakafo hariva omena azy.

Lire la suite

Articles Similaires