• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Reny&Zaza

Zaza an-tsoso-koditra na GEU : ireo anton-javatra mety mahatonga azy

07/03/2025 13:53 © Moov.Mg

Ny atao hoe zaza an-tsoso-koditra na « grossesse extra-utérine (GEU) » dia ny fiforonana sy ny fipetrahan’ny zaza ao am-bohoka ivelan’ny tranon-jaza. Matetika dia ao amin’iray amin’ireo « trompes de Fallope » no hitoerany. Mila fandraisan-tanana malaky ity vohoka tsy ara-dalàna ity satria mety hitarika fahasarotana lalina ary hahafaty. Fa inona tokoa moa ireo anton-javatra mety mahatonga ny zaza an-tsosokoditra ?

Anton-javatra avy amin’ny olana ara-pahasalamana taloha

Anisan’ireo anton-javatra mampitombo ny « risques » hatonga ny vehivavy iray hanao zaza an-tsoso-koditra ny hoe :
-Efa nanao zaza an-tsoso-koditra taloha ;
-Efa natao « chirurgie pelvienne ». Izany hoe efa natao fandidiana ny « trompes de Fallope » na taova iray ao amin’ny faritra « pelviens » ka namela olatra na « adhérences » ;
-Aretina ao amin’ny faritra « pelviens », indrindra ireo vokatry ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo toy ny « chlamydia » izay mety manimba ny « trompes de Fallopes » ;
-Aretina « endométriose » izay miseho amin’ny alalan’ny fitomboan’ny « tissu utérin » ivelan’ny tranon-jaza ;
-Hafa-jaza na nanala zaza matetika ;
-Fahamombana sy fitsaboana izany amin’ny alalan’ny « fécondation in vitro ».

Ireo anton-javatra mifandray amin’ny fomba-fiaina

Misy ihany koa ireo anton-javatra avy amin’ny fomba-fiaina izay mety mahatonga ny vehivavy hanao zaza an-tsoso-koditra toy ny :
-Fifohana sigara be loatra ;
-Fitondrana vohoka tara loatra, izany hoe 35 taona no mihoatra.

Anton-javatra hafa

Ankoatra ireo voalaza teo ambony ireo dia misy ireo anton-javatra hafa toy ny ;
-Fanaovana DIU ;
-« Ligature des trompes » raha sanatria votsotra tampoka izy ity any aoriana ;
-Tsy fahatomombanana eo amin’ny « trompes de Fallope ».
Marihana fa tsy voatery hahatonga ny vehivavy hanao zaza an-tsoso-koditra ireo anton-javatra voalaza ireo. Mety hampitombo ny « risques » fotsiny ihany izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires