• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Ireo tsara fantatra mikasika ny ankizy manao « allergie au pollen »

17/01/2025 15:49 © Moov.Mg

Isan’ireo karazana « allergies » mahakasika olona maro ny « allergie aux pollen » na ny tsy fahazakana vovobony. Manorisory ary mety tena mampijaly tokoa izy io rehefa mihetsika. Samy mety ho voa avokoa na ny ankizy na ny lehibe. Ahoana ary no fomba hamatarana ny ankizy manao « allergie au pollen » ?

Inona no atao hoe « allergie au pollen » ?

Ny « allergie au pollen » dia mandrakitra karazana « allergies » ny taovam-pisefoana maro izay mety mahakasika ny maso sy ny orona. Izy ireo dia « allergies » amin’ny « pollens » na vovobony izay mitsingevana eny amin’ny rivotra eny. Marihana fa ny vovobony dia vondron-tsinga fananahana vokarin'ny taova lahy amin'ny zavamaniry. Mivoaka amin’ny endrika vovoka izy io ka mora entin’ny rivotra. Misy karazany maro ny « pollens ». Ao ireo avy amin’ny hazo, ireo avy amin’ny zavamaniry misy vonony sy ireo avy amin’ny ahitra.

Ireo fambara ahafantarana fa manao « allergie au pollen »

Amin’ny ankapobeny dia mitovy avokoa ireo fambaran’ny « allergie au pollen » fa tsy miankina amin’ny karazana vovobony manokana. Anisan’ireo soritr’aretina tokony hanaitra ny :
-« Rhinite allergique » izay miseho amin’ny fisian’ny lelo betsaka sy ny orona jenjina nefa tsy voan’ny sery ;
-« Conjonctivite allergique » ka lasa menamena ny maso ary milatsaka ho azy ny ranomaso ;
-Hidihidy ao anatin’ny tenda na ao anatin’ny vava ;
-Arerahana, aretin’andoha, tsy fahampian’ny fifantohana nohon’ny tsy fahampiana torimaso vokatry ny « rhinite allergique » ;
-Koha-maina, fahateren’ny tratra, ny feo misioka rehefa miaina na mora sempotra eo amin’ireo olona misy sohika na « asthme ».

Ireo anton-javatra mety mahatonga ny « allergie au pollen »

Marihana fa tsy avy any am-bohoka ny « allergie au pollen ». Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny ankizy eo ho eo amin’ny 5-6 taona, ny zatovo sy ny tanora izy io no mipoitra. Raha eo amin’ny ankizy manokana dia ireo misy sohika sy ireo manao « rhinite allergique » no tena misy ity karazana « allergie » ity. Ankoatra izay dia misy ireo anton-javatra hafa mety mahatonga azy io, toy ny :
-« Pollution atmosphérique » na ireo loto entin’ny rivotra izay mety manova ireo vovobony ka mahatonga azy ireo hampanao « allergie ». Ireo loto ireo ihany koa dia manimba ny « muqueuse respiratoire » ka lasa mamparefo ny fiarovana amin’ireo « allergènes ».
-« Réchauffement climatique » izay mahatonga fiakaran’ny hafanana ao anatin’ny taona ka mampaharitra ny fotoana mampirongatra ny « allergie saisonnière ». Lasa mipoitra aloha be ihany koa ireo vovobony.
-« Tabagisme passif » na ny fiaretana fofon-tsigara. Raha miaina fofon-tsigara mandritra ny fotoana maharitra na matetika ao an-trano ny ankizy dia mety hanimba ny « muqueuse respiratoire »-ny izany ka mahatonga azy hanao « allergie ».

Lire la suite

Articles Similaires