Handray zazakely : Tsara raha havaozina sy halamina ny trano
Tsy voatery hanana efitra manokana ho an'ny zazakely ny mpivady, indrindra moa raha vao mihary. Amporisihana nefa ny fanavaozana sy ny fandaminana trano.
Fandraisana vahiny kely
Trano madio sy milamina no tokony handraisana ny vahinikely. Rehefa akaikaiky iny ny fiterahana, tsara raha manokana fotoana hanaovana "grand-ménage" ny mpivady. Azo atao tsara ny mangataka fanampiana amin'olona akaiky mba tsy ho reraka loatra ilay reny mitondra vohoka.
Ireto àry misy torohevitra azo ampiharina tsara :
-Ezahina diovina tanteraka ny trano, indrindra ireo toerana tsy takatry ny kifafa
-Atokana sy esorina daholo ireo entana rehetra simba sy tsy miasa, any amin'ny efitra rehetra
-Azo atao tsara ny mandoko rindrina raha efa somary maloto ny trano. Voa maika tsara raha manana fahafahana hanavao na hanampy ireo "décorations" ao an-trano
-Sasana avokoa ireo lamba lehibe ao an-trano : rideaux, coussins, serviettes, draps, bodofotsy, sns
-Alamina tsara ny any anaty "armoire" sy fanaka fampirimana entana rehetra, mba ho amin'ny fitoerany avokoa ny zavatra rehetra
-Soloina na amboarina izay jiro tsy mandeha, indrindra ao amin'ny efitra izay hatorian'ny zazakely
-Ampiana izay entana tsy ampy nefa tena ilaina ao an-trano
-Vidiana ny fandrianakely, fampirimana entana sy kojakojan'ny zazakely : tokony samy mahita izay entana misy avokoa na i dada na i neny
-Omanina sahady ny "valise de maternité", izany hoe ireo entana entina any amin'ny hopitaly,na ho an'ny reny na ho an'ny zaza.
Rehefa tonga ny zazakely dia tsy afaka mihetsiketsika ny reny mandritra ny herinandro vitsivitsy, indrindra moa raha mandalo fandidiana. Izany indrindra no hanaovana fandaminana mialoha araka izay azo atao, mba ho mora ny fitadiavan-javatra sy ny fikolokoloana ny trano. Samy mianatra mamerina zavatra amin'ny fitoerany na i dada na i neny mba tsy ho lany fotoana firy amin'ny fampiriman-trano.
Fandraisana fianakaviana
Kolontsaina Malagasy ny mamangy mpiteraka. Misy ireo mamangy eny amin'ny hopitaly, fa tsy maintsy misy ihany koa ireo miandry ny mpiteraka tafody any an-tranony. Fotoana iray mety handraisana vahiny maro izany ny herinandro vitsivitsy aorian'ny fahatongavan'ny zazakely. Koa satria tsy afaka hikarakara be ny renim-pianakaviana noho ny antony ara-pahasalamana, tsara raha milamina mialoha ny trano ka fanadiovana tsotsotra sisa no atao isan'andro. Raha mipetrapetraka tsara avokoa ny entana rehetra, "coup de balai" dia efa milamina tsara ny efitrano fandraisam-bahiny sy fatoriana.
Azo atao tsara ihany koa ny manao "provisions" mba hanana izay sakafo sy entana rehetra ilaina mandritra ny herinandro vitsivitsy. Misy ireo mpivady manomana vatomamy ho an'ireo mpamangy sahady.