• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Livi
Image
Reny&Zaza

Fananahan’ny vehivavy : ireo antony mety mahatara ny fadim-bolana

08/11/2024 16:57 © Moov.Mg

Ny fahataran’ny fahatongavan’ny fadim-bolana no isan’ny fambara voalohan’ny fitondrana vohoka eo amin’ny vehivavy salama sy tsy mikorontana ny fadim-bolana. Mety misy ihany koa nefa ireo antony hafa mety mahatonga ny fahataran’ny « règles ». Andeha ary resahana eto ny mikasik’izany.

Fahataran’ny fotoana mahalonaka na « ovulation »

Maro ireo antony mety mahatonga ny fahatarana na ny tsy fahatongavan’ny fadim-bolana ankoatra ny fitondrana vohoka. Anisan’izany ny tsy fisiana na ny fahataran’ny fotoana mahalonaka na ny « ovulation ». Arak’izany dia mila miandry kely manditra ny andro vitsy ka raha tsy mety tonga fotoana dia mila manantona mpitsabo mizaha fahasalamana. Amin’ny ankapobeny moa dia tonga ho azy ihany ny fadim-bolana raha ity antony ity no mahatara azy.

Fanajanonana ny fihinanana « pilule »

Toe-javatra mety mitranga ny hoe tsy tonga fotoana mandritra ny telo volana voalohana taorian’ny fanajanonana ny fihinana « pilule » fanabeazana aizana nefa tsy bevohoka. Ny anton’izany dia satria tsy miverina ho azy avy hatrany ny « ovulation » aorian’ny tsy fihinanana « pilule » intsony. Ireo olona manana fadim-bolana mikorontana efa talohan’ny fandraisana « pilule » moa mazana no tena manao izany.

Aorian’ny fiterahana na fampinonoan-dreny maharitra

Miverina tonga fotoana ny vehivavy avy niteraka rehefa afaka 4 na 8 herinandro aorian’izany na rehefa mijanona tsy mampinono intsony. Mety mitarika fahataran’ny fahatongavan’ny fadim-bolana eo amin’izy ireny kosa nefa ny harerahana na ny fahaketrahana (dépression) mety mahazo azy.

Ny rarin-tsaina

Ny rarin-tsaina mafy na ny fihetseham-po mafy loatra ihany koa dia mety mahatonga fahatarana eo amin’ny fahatongavan’ny fadim-bolana. Mety mampiato izany mandritra ny fotoana maharitra mihintsy aza moa izany. Ny rarin-tsaina tokoa mantsy dia mety manakorontana ny « cycles menstruels » sy ny « ovulation » izay mampihemotra ny fahatongavan’ny fadim-bolana sy manakorontana tanteraka izany.

Lire la suite

Articles Similaires