Zazakely : ny antony anomezana fanampina vitamina sy mineraly azy ireny
Mila arahina maso hatrany ny fahasalamana sy ny fitombon’ny zazakely. Rehefa mitondra ny zaza mizaha fahasalamana any amin’ny dokotera na « pédiatre » dia misy ireo vitamina sy « compléments alimentaires » asaina omena ny zaza. Andeha ary ho resahana eto ny santionany amin’ireo antony hanomezana azy ireny ny zazakely.
Mampitombo sy manamafy ny hery fiarovana
Ny zaza vao teraka hatramin’ny 6 volana dia rononon-dreny na solon-donono irery ihany no sakafo omena azy. Anatin’ny ronono izy no manovo ny hery fiarovana. Marina fa tonga lafatra ny rononon-dreny nefa mety tsy ampy hiaro azy amin’ny otrikaretina ety ivelany ireo otrikaina entin’izany. Noho izany dia mila omena « compléments » sy vitamina izy mba hanamafisana ny hery fiarovany. Rehefa mihoatra ny 6 volana ny zaza dia avy amin’ny sakafo no hahazoany ny otrikaina ilain’ny vatany. Mety mbola tsy ho ampy ihany koa nefa izany ka omen’ny mpitsabo « compléments alimentaires », vitamina sy mineraly izy.
Manamafy sy manatsara ny fitomboan’ny atidoha
Misy amin’ireo « complément vitaminique » omena ny zazakely no mitahiry oméga-3. Ny oméga-3 dia miantoka sy manatsara ny fitomboan’ny atidoha ny zaza sy ny ankizy. Miantoka indrindra ny fampitomboana sy ny fanatsarana ny atidohan’ireo zaza hatramin’ny roa taona izany ny fanomezana ireny karazana « complément » ireny azy ireo. Rehefa afaka misakafo ny zaza, izany hoe mihoatra ny 6 volana, dia tsara ny manome sakafo manankarena oméga-3 azy mba hampatsilo saina azy ireo.
Manampy amin’ny fanamafisana sy fitomboan’ny taolana
Rehefa mbola kely ny zaza dia malemy ary tsy mbola matoy tsara ny taolana mandrafitra ny vatany. Mbola anatin’ny fotoana fitomboana ireo taolana ka isan’ny miantoka izany ny fanomezana « complément » sy mineraly ny zazakely. Ny calcium sy ny vitamina D no isan’ireo singa lehibe ilain’ny taolana mba hampitombo tsara azy hahamafy azy ireny. Mila izany indrindra ny zazakely mba tsy hahatara ny fitomboan’ny vatany ary tsy hamparefo ny taolany.