• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Louves
Image
Reny&Zaza

Reny sy zaza : torohevitra mba hahamora ny fampatoriana ny zaza

26/07/2024 16:02 © Moov.Mg

Matetika dia sarotra ny mampatory ny zazakely, indrindra rehefa alina ny andro. Misy ireo mora matory fa misy ihany koa ireo mila rotsirotsiana be vao mahita tory. Ireto ary misy torohevitra manampy mba hahamora ny fampatoriana ny zaza rehefa amin’ny alina.

Atao madio tsara ny zazakely vao ampatoriana

Mora mahita tory ary tsara torimaso kokoa ny zazakely rehefa atao madio tsara vao ampatoriana amin’ny alina. Izay indrindra no antony tsara ampandroana ny zazakely rehefa hariva. Arahana fanorana kely amin’ny menaka izany mba hanala ny havizanany mandritra ny tontolo andro sy hiarovana azy tsy ho tafidi-drivotra. Raha tsy afaka mampandro ny zaza dia diovina amin’ny rano matimaty ireo faritra miforiporitra amin’ny vatany ka atahorana ho masaka, toy ny tenda, ambadiky ny sofina, foto-pe, fitombenana…

Tsy maimaika rehefa hampatory ny zaza

Mila faharetana sy fitoniana rehefa hampatory ny zazakely. Mbola mila mizatra tsikelikely izy amin’ny fanavahana ny andro sy ny alina. Raha mbola sarotra amin’izany dia tsy tokony hiferotr’aina satria mandalo ihany izany fotoana izany. Mba hanazarana ny zaza dia atao malefaka ny jiro ao amin’ny efitra ampatoriana azy, atao mangingina na asiana mozika malefaka kely. Tsy mahazo maimaika rehefa hampatory ny zaza satria mety ahatonga fahasorenana ho an’ny tena izany.

Zarina ahita tory irery ny zaza

Fomba iray fanaon’ny ray aman-dreny tera-bao ny mandrotsirotsy ny zazakely rehefa tsy mety mahita tory izy amin’ny alina. Tsy tsara nefa ny fanaovana izany satria ho lasa zatra izany ilay zazakely ka voatery hatao izay hatrany vao hatory. Mba hisorohana izany dia zarina hahita tory irery izy dieny eny am-boalohany. Apetraka anaty fandrina fatoriana ny zaza na mbola taitra aza. Atao malefaka ny jiro ary alavirina ny tabataba. Ho renoka ho azy izy rehefa zatra izay. Tandremana kosa nefa mba ho atao madio sy voky tsara ny zaza vao apetraka anaty fandriany.

Hajaina ny ora ampatoriana ny zaza

Mba hahamora ny fampatoriana ny zaza rehefa alina dia tsara raha tsy ovaovaina ny ora hampatoriana azy. Fantarina arak’izany hoe amin’ny firy ny zaza no hita ho vizaka sy manomboka te hatory. Anjaran’ny ray aman-dreny avy eo ny mamaritra ny ora tsara ampatoriana azy, tsy aloha loatra nefa tsy atao alina loatra ihany koa. Rehefa voahaja tsara izany fotoana izany dia hanaraka ho azy izany ny fahatongavan’ny torimason’ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires