• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fourchette Et Bikini
Image
Reny&Zaza

Ireo vokatsoan’ny fanomezana karaoty ny zazakely

08/07/2024 16:06 © Moov.Mg

Raha vantany vao misakafo ny zaza, izany hoe manomboka ny faha 6 volana, dia ny karaoty no isan’ireo legioma tsara omena azy. Maro tokoa ny vokatsoa entin’ny karaoty ho an’ny vatana sy ny fahasalaman’ny zaza. Araho eto ary ny santionany amin’izany.

Manatsara ny fahasalaman’ny maso sy ny hoditra

Ny karaoty dia legioma manankarena « bêta-carotène ». Ity farany dia avadiky ny vatan’ny zazakely ho lasa vitamina A. Efa tsy zoviana amin’ny rehetra ny anjara asa lehibe entin’ny vitamina A eo amin’ny fikolokoloana sy ny fanatsarana ny fahasalaman’ny maso sy ny hoditra. Ahitana « antioxydant » ihany koa moa ao aminy ka mampalefaka sy mahasalama ny hoditry ny zaza.

Mampitombo sy manamafy ny hery fiarovana

Mitahiry vitamina C amin’ny tahany ambony ihany koa ny karaoty. Ity vitamina ity dia manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana. Rehefa fotoana fiparitahan’ny gripa, sery sy ny valan’aretina dia mandaitra tokoa ny ranona karaoty ho fanamafisana ny hery fiarovan’ny zaza, eny na ny lehibe aza.

Manampy amin’ny fisorohana ny fitohanan’ny zaza

Rehefa vao manomboka misakafo ny zaza dia mbola mizatra ny taovam-pandevonan-kanina sy ny tsinay ka mety mora mitohana. Ny karaoty dia manankarena fibra izay mandamina sy manatsara ny fiasan’ny tsinay. Manampy amin’ny fisorohana ny fitohanan’ny zaza noho izany ny fanomezana karaoty azy. Tsy tsara atao « jus » kosa nefa ny karaoty satria lasa tsy mitondra fibra intsony izany.

Lire la suite

Articles Similaires