• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Daylily Paris
Image
Reny&Zaza

Reny : ireo zavatra mety mitranga amin’ny vatana aorian’ny fiterahana

03/07/2024 14:14 © Moov.Mg

Efa noresahana teto ireo fiovana mety miseho eo amin’ny vatan’ny vehivavy mandritra ny fitondrana vohoka. Rehefa teraka soamantsara ny reny dia mbola misy ihany koa ireo trangan-javatra miseho eo amin’ny vatana. Ara-boajanahary ary tsy tokony hampanahy izy ireny. ‘Ndeha ary ho fantarina ny santionany amin’ ireo trangan-javatra mety hiseho amin’ny vatan’ny vehivavy aorian’ny fiterahana.

Misy rà mandeha betsaka sy maharitra kokoa

Rehefa avy teraka ny vehivavy dia misy rà mandeha mba hamoahana ireo rà sy loto mila mivoaka ao amin’ny kibo. Tsy fadim-bolana tsotra izany io rà mandeha io ka tsy mitovy ny habetsany sy ny faharetany. Betsaka kokoa ny fatran’io rà mandeha aorian’ny fiterahana io ary mety maharitra eo amin’ny 10 andro eo. Miankina amin’ny toe-batan’ny vehivavy tsirairay moa izany faharetany izany satria mety mbola hisy handeha kely ihany anatin’ny 6 herinandro.

Ny fiakaran’ny rononon-dreny

Araka ny voalaza teo ambony dia samy manana ny toe-batany ny vehivavy tsirairay. Amin’ny ankapobeny dia manomboka miakatra ny rononon-dreny afaka ora vitsy aorian’ny fiterahana. Eo amin’ny vehivavy sasany dia miakatra be tampoka io rononon-dreny io nefa mbola tsy lanin’ny zazakely vao teraka. Tsy maintsy avoaka tao ilay rononono satria sady manaintaina ny nono no mety hampanavy. Ny rasazy na ny mpitsabo moa no manoro ny fomba hamoahana izany. Misy ihany koa nefa ny reny tera-bao sasany no miandry andro vitsy aorian’ny fiterahana vao miakatra ny rononon-dreny na koa tsy mety miakatra mihintsy izany.

Ny fihenan’ny kibo

Maro tokoa ireo bevohoka mieritreritra fa vao teraka ny zazakely dia mihena be sy miverina toy ny teo aloha ny haben’ny kibo. Ny zava-misy nefa dia mbola miandry eo ho eo amin’ny 6 herinandro eo vao miverina amin’ny habeny teo aloha ny tranon-jaza. Mbola mihoatra izay fe-potoana izay ihany koa vao mihena tsara ny kibo. Mila tandremana kosa nefa ny sakafo hoanina mba tsy hampanano sarotra ny fihenan’ny kibo. Izany hoe sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja nefa mitondra otrikaina no hoanina.

Lire la suite

Articles Similaires