• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Torohevitra hikarakarana ny zaza avy natao vaksiny

07/05/2024 13:53 © Moov.Mg

Mahazana rehefa avy atao vaksiny ny zaza dia toa marary izany, toy ny hoe manavy, mivonto, mandoa, misy nana, mivalana… Inona no mahatonga izany ary ahoana ny fikarakarana tsara atao ny zaza rehefa avy atao vaksiny ?

Ny antony mahatonga ny zaza toa ny marary rehefa avy atao vaksiny

Ny vaksiny dia otrikaretina nohalefahina izay atsindrona amin’ny olombelona mba ianaran’ny hery fiarovana miady amin’ilay aretina. Noho izany dia mety hisy fambaran’aretina mifanaraka amin’ilay otrikaretina hanaovana vaksiny io rehefa vita ity farany, ka izay no atao hoe « réaction vaccinale ». Io « réaction vaccinale » io izany no mahatonga ny zaza avy natao vaksiny toa ny marary. Ny fisian’ireo fambaran’aretina ireo no ahitana fa mandaitra tsara ny vaksiny.

Ireo karazana « réaction vaccinale » mety hitranga arakaraky ny vaksiny atao amin’ny zaza

Satria moa samy manana ny fomba fisehony ny aretina ateraky ny otrikaretina tsirairay dia mazava ho azy fa samihafa ihany koa noho izany ny fambaran’aretina mety mitranga arakaraky ny vaksiny natao tamin’ny zaza.
Raha avy natao vaksiny BCG teo amin’ny sandry ny zaza dia mety hibontsina menamena be, mety hisy nana ary mety maharitra amam-bolana maro vao mihena. Raha manaintaina ny zaza io faritra io dia omena fanafody fanalana fanaintainana izy mba tsy hijaly. Avela ho sitrana ho azy ny vaksiny fa tsy osorana n’inon’inona.
Raha avy natao vaksiny anti-rotavirus ny zaza dia mety handoa na/sy hivalana. Mila omena fanafody mampijanona fivalanana sy tsy mampandoa avy any amin’ny mpitsabo izy. Ankoatra izay dia omena nono hatrany noho ity farany manampy amin’ny fanasitranana ny aretina no sady manala hetaheta. Miady amin’ny fahaverezan-drano be loatra rehefa mandoa na/sy mivalana ihany koa ny rononon-dreny.
Rehefa avy atao vaksiny eo amin’ny fe ny zaza dia mety hivonto sy ho mafy be ny fe. Ankoatra izay dia mety hivoara-mena, hanaintaina be ary koa mety hanavy mihintsy ilay zaza. Tsy osorana n’inon’inona ny faritra mena na mivonto avy natao vaksiny. Sasana amin’ny rano mafana isaky ny adiny 2 na 3 mba ampitony azy. Raha voakitikitika matetika ilay vaksiny ka manaintaina ilay zaza dia omena fanafody fanalana fanaintainana izy. Raha manavy kosa dia atao izay ampihafana ny hafanany. Raha ilay dia omena fanafody fampidinana fanafody fampidinana hafanana.

Ireo tsara atao rehefa mikarakara zaza avy natao vaksiny

Satria manaintaina ny faritra avy natao vaksiny teo amin’ny zaza dia lasa matahotra isika ray aman-dreny ampandro azy aorian’izany. Marihana nefa fa azo ampandroina tsara ny zaza avy natao vaksiny. Omena fanafody fanalana fanaintainana izy mba tsy hijaly be ary tandremana mba tsy ho voadona na voakitika ilay faritrana notsindromina. Raha manavy kosa nefa ilay zaza dia tsy tsara ampandroina satria vao maika mampiakatra ny hafanan’ny vatany ny rano mafana.
Tsy omena fanafody manala fanaintainana na koa mampidina hafanana ny zaza raha toa ka tsy manaintaina azy ilay vaksiny ary koa raha tsy manavy izy. Mampantanjaka ny hery fiarovany amin’ny fiadiana amin’ny aretina ny tsy fampiasana ireny fanafody ireny raha mbola tsy ilaina izany.
Raha manavy ny zaza avy natao vaksiny, izany hoe mihoatra ny 38,5°C ny hafanany, dia omena fanafody mampidina hafanana izy. Raha toa kosa ka tsy mety mihafana ny hafanany dia manantona mpitsabo avy hatrany mba ahazoany ny fandraisan-tanana sahaza.

Lire la suite

Articles Similaires