• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Index Santé
Image
Reny&Zaza

Zaza mivalana : ireo torohevitra mikasika ny sakafo omena azy

19/03/2024 09:34 © Moov.Mg

Anisan’ireo soritr’aretina mpahazo ny zaza eo anelanelan’ny 6 volana sy 3 taona ny fivalanana. Mbola marefo tokoa mantsy ny kibo sy ny tsinain’izy ireo ka mora andairan’ny otrik’aretina sy ny tsy fahalevonan-kanina. Ankoatra ny fanajana ireo torimarika fitsaboana omen’ny mpitsabo dia mila tandremana tsara ny sakafo omena azy. Fantaro ary ireo torohevitra mikasika ny sakafo ho an’ny zaza mivalana.

Ireo sakafo tsara omena ny zaza mivalana

Ireo karazana sakafo fantatra fa miasa amin’ny fampitoniana sy ny fiadiana amin’ny fivalanana no omena ny zaza mivalana. Anisan’izany ny :
-Karaoty nandrahoana sy nopotserina malemy ;
-Ny ovy nandrahoana sy nopotserina malemy ;
-Ny vary nandrahoina masaka tsara ;
-Ireo voankazo sasantsasany toy ny akondro sy ny paoma ;
-Ny paoma nandrahoina (compote) ;
-Ny hena mahia toy ny trondro, akoho gasy sy ny « jambon ».
-Ny rano avy nampangotrahana.

Ireo sakafo tsy tokony hanin’ny zaza mivalana

Misy ireo sakafo tsy azo omena ny zaza mivalana noho izy ireny mety vao maika ampihombo ny aretim-pivalanana sy ampaharitra izany. Anisan’ireny sakafo ireny :
-Ireo fibra toy ny legioma maitso sy ny ankamaroan’ny voankazo ;
-Ireo matavy sy be menaka toy ny ron’omby ;
-Ireo kiendiendy izay mavesatra ho an’ny vavony sy sarotra levonina ;
-Ireo sakafo mamy loatra.

Ireo fitandremana hisorohana ny fivalanan’ny zaza

Indraindray dia vokatry ny tsy fitandremana kely mikasika ny sakafo omena ny zaza no mahatonga azy mivalana. Amin’ny ankapobeny dia ny loto izay entin’ny sakafo, ny rano na tsy fahadiovan’ny tanana mankao am-bava no mitondra ny otrik’aretina mankarary kibo ny zaza. Mba isorohana izany ary dia tandremana tsara mba :
-Ho rano avy nangotraka hatrany no ampisotroina ny zaza ;
-Ho voankazo avy nosasana tsara sy novoasana no omena azy ;
-Ho voasasa tsara amin’ny rano sy savony ny tanan’ny zaza isaky ny alohan’ny hinana sakafo na « goûter » ;
-Ho legioma nosasana tsara sy nandrahoina no omena azy ;
-Ho voadio sy masaka tsara ny hena atao amin’ny sakafon’ny zaza ;
-Ho sakafo vaovao sy tsy nialon’andro no omena azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo