• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Zazakely ampianarina milomano : tsy misy atahorana ve ?

13/03/2024 10:46 © Moov.Mg

Efa noresahana hatrany ireo vokatsoa azo avy amin’ny filomanosana ho an’ny ankizy sy ny olon-dehibe. Malaza any ivelany ary efa manomboka voizina eto amintsika ankehitriny ny « bébé nageur » izay fampianarana milomano ny zazakely. Inona no vokatsoa azo amin’izany ? Ary misy atahorana ve ?

Manomboka firy taona ny zazakely no afaka ampianarina milomano ?

Efa maro any ivelany ny fampianarana milomano manokana ny zaza sy ny ankizy. Manomboka 18 volana ny zazakely no azo ampidirina amin’ireny fampianarana ireny. Mila vita vaksiny fampatsiahivana fanefitry ny DT-polio kosa nefa izy ireo. Ankoatra izay dia mila taratasy fanamarinana ara-pahasalamana avy amin’ny mpitsabo mikasika ny fahafahany manaraka ny fampianarana milomano. Ny fampianarana ny zazakely milomano ary indrindra mizatra rano no atao hoe « bébé nageur ». Efa manomboka misy izany fampianarana manokana izany moa eto an-drenivohitra ho an’ireo ray aman-dreny maniry ampiditra ny zazany amin’izany.

Ny vokatsoa azo amin’ny fampianarana milomano ny zazakely

Matetika rehefa mbola kely ny ankizy no mora mandray fampianarana sy mizatra haingana kokoa amin’ny tontolo vaovao ametrahana azy. Mitombona ihany koa izany amin’ny fianarana milomano sy fizarana amin’ny rano. Marina fa misy amin’ireo zazakely no matahotra rano. Mora afaka kosa nefa izany tahotra izany rehefa zarina dieny mbola kely izy. Maro ny vokatsoa entin’ny « bébé nageur » ho an’ny zazakely, anisan’izany ny fanampiana azy hamoha sy hampivoatra haingana kokoa ny sainy sy ny vatany. Ankoatra izay dia mora mahaleo tena kokoa izy ary mahavita manavotra ny tenany ao anaty rano.

Ny mety ho risika amin’ny fampianarana milomano ny zazakely

Araka ny voalaza teo aloha dia tsy ny zazakely feno 18 volana rehetra no afaka ampidirina amin’ny toeram-pampianarana zazakely milomano. Mila salama tsara ara-batana ny zazakely ary tsy misy aretina mitaiza tsy ahafahany milomano. Etsy an-daniny dia misy ireo risika mety ateraky ny filomanosana sy ny ranon’ny dobo-filomanosana, toy ny :
-Aretina azo avy amin’ny tsy fahazakana ny « chlore » amin’ny dobo filomanosana ;
-Fahasarotana amin’ny sohika « asthme » ;
-Fahamainana na hidihidy amin’ny hoditra vokatry ny tsy fahazakana ny « produits » amin’ny ranon’ny dobo filomanosana ;

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo