• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bedaine Urbaine
Image
Reny&Zaza

Torohevitra hanatsarana ny torimason’ny zaza

30/01/2024 10:49 © Moov.Mg

Zavatra iray mampiferotr’aina ny ray aman-dreny tera-bao ny tsy fahafantarana ny mikasika ny torimason’ny zaza. Mitaitaina hatrany rehefa matory ela loatra ny zaza na mora taitra, maditra alina, ela be vao matory… Ho resahana eto ary ireo rehetra tsara fantatra mikasika ny torimason’ny zazakely, ny torohevitra hampatoriana azy sy ny atao hanatsarana ny torimasony.

Manao ahoana no tokony faharetan’ny torimason’ny zazakely ?

Tsara ny manamarika fa tsy mitovy amin’ny torimasontsika lehibe ny an’ny zaza. Mizara ho « cycles » kely be dia be sy mifamdimby ny torimason’izy ireny. Ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 2 volana dia maharitra eo ho eo amin’ny 50 minitra ny « cycle » torimaso iray. Izany hoe ara-dalàna raha matory kely dia taitra isaky ny adiny 1 ny zaza latsaky ny 2 volana. Mety miverina matory ho azy izy aorian’izay na mety hifoha mihintsy.
Mihalava miandalana miaraka amin’ny fitombon’ny volana io « cycle » io. Noho izany manomboka matory ela kokoa ny zaza rehefa manodidina ny 3 sy 4 volana. Rehefa manomboka 8 volana izy vao mety hatory adiny 5 tsy tapaka na mandritra ny alina tontolo. Marihana nefa fa tsy voatery mitovy avokoa ny zaza rehetra ary mety ho samihafa ny faharetan’ny torimaso.

Ireo tokony atao hampatoriana sy hanatsarana ny torimason’ny zaza

Tsy misy fomba manokana azo antoka fa mandaitra 100% hampatoriana ny zazakely. Ny fotoana no mandamina milamina ny fahazaran’ny torimasony. Alohan’ny faha 1 taona nefa dia afaka mametraka lamina tsotra hanatsarana ny torimason’ny zaza ny ray aman-dreny.
Mila mahatsapa tena « en sécurité » ny zaza alohan’ny hatory. Mahazo aina kokoa izy rehefa ao anaty toerana mahazatra azy sy mampitony azy. Tsara raha avela misokatra kely ny varavarana ao amin’ny efitrano hatoriany, asiana « veilleuse » malefaka mirehitra, atao akaikiny ny « peluche » tiany… Azo atao ihany koa ny mandefa mozika malefaka, mamihina azy… mba hampitoniana azy ;
-Raha mbola latsaky ny 4 volana ny zazakely dia tsy voatery raisina rehefa taitra amin’ny « cycle » ny torimaso iray. Endrasana kely sao tonga dia miditra amin’ny « cycle » manaraka izy. Misy ihany koa ny atao hoe « sommeil agité ». Izany hoe tsy taitra izy fa mbola matory nefa ny masony, ny tanana na ny tongony nefa mihetsiketsika. Manofy ny zaza mandritra izany ka safosafoana fotsiny izy dia miverina matory ;
-Rehefa mampatory ny zazakely dia tsara raha avela hatory mandritra ny 15 minitra eo an-tanana izy vao adaboka moramora eo amin’ny fandriany. Indraindray mantsy ny ray aman-dreny maika loatra mametraka ilay zaza dia taitra vetivety ity farany satria mbola tsy nahazo tory tsara ;
-Marihana moa fa mbola tsy mahay manavaka andro sy alina ny zaza latsaky ny 8 herinandro. Mandritra izany fotoana izany matetika no eritreretintsika hoe maditra alina. Raha ny marina nefa dia mbola mampitaitaina azy ny ety an-tany ka te ho trotroina foana izy mba hampitony azy sy ahitany torimaso ;
-Raha mitomany sy kirikirina tsy mety matory ny zazakely nefa efa voky nono tsara dia mila jerena sao mando na maloto ny tatiny. Matetika ihany koa amin’ny hariva no ampijalian’ny rivotra ny zaza. Tsara izany raha jerena ireny zavatra mety tsy mampahazo aina azy ireny mba hanamorana ny fampatoriana azy sy hanatsarana ny torimasony.

Lire la suite

Articles Similaires