• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pampers
Image
Reny&Zaza

« Crampes » eo amin’ny ranjo mahazo ny bevohoka : tsy atahorana ve ?

29/01/2024 14:51 © Moov.Mg

Anisan’ny toe-javatra mampitaraina ny vehivavy bevohoka ny fahatsapana « crampes » eo amin’ny ranjo, indrindra amin’ny alina. Misy tokony atahorana ve ? Inona no fomba azo atao hisorohana na hampitoniana izany ?

Ireo antony mahatonga ny « crampes » amin’ny ranjo mahazo ny bevohoka ?

Toe-javatra mpahazo ny ankamaroan’ny vehivavy bevohoka ny fahatsapana « crampes » tampoka eo amin’ny ranjo, indrindra rehefa amin’ny alina. Tsy tokony misy atahorana be loatra ny fahatsapana izany satria tsy fambaran’aretina akory. Ankoatra ny « crampes » amin’ny ranjo mahazo azy moa dia mety ahatsapa hoe mavesatra ny ranjo na koa manaintaina ny vata-peny. Maro ireo antony mety mahatonga izany, anisan’izany :
-Ilay kibo efa lehibe sy mavesatra ka lasa mitambesatra amin’ny hozatra, ny « nerf », ny rohihozatra ;
-Ny havizanana satria mandany hery ny fitondrana vohoka ;
-Ny tsy fahampiana torimaso ;
-Ny tsy fikorian’ny rà ara-dalàna ;
-Ny tsy fahampiana rano, « magnesium », « calcium », vitamina… ;
-Ny tsy fahampian’ny fanetseham-batana na hoe mampiasa vatana be loatra.

Ny vahaolana azo hisorohana na hampitoniana ny « crampes » eo amin’ny ranjo

Tsy afaka foanana tanteraka ny « crampes » eo amin’ny ranjo, ny ranjo mavesatra na ny vata-pe marary izay mpahazo ny vehivavy bevohoka. Azo atao kosa nefa ny mampitony izany sy mampihena ny risika mety hahatonga azy :
-Misotro rano tsy latsaky ny 1,5 litatra isan’andro ;
-Mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja ;
-Tsy mampiasa vatana be loatra ary maka aina rehefa afaka manao izany ;
-Atao avo ny tongotra rehefa maka aina ;
-Mazoto mandeha tongotra rehefa vao maraina (tsy manao reraka) ;
-Manao « étirements » hampitoniana ny hozatra ;
-Horina moramora matetika ny ranjo sy ny fe ;
-Lomana anaty rano mafana faran’izay zaka ny ranjo sy ny tongotra rehefa alohan’ny hatory.

Lire la suite

Articles Similaires