• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sage-Femme Pratique
Image
Reny&Zaza

Reny sy zaza : torohevitra hanamaivanana ny nono mizihitra

19/01/2024 16:02 © Moov.Mg

Anisan’ireo tranga mpahazo ny vehivavy avy niteraka ny hoe mizihitra sy mivonto ny nono. Marary ary manahirana tokoa izany rehefa mitranga. Ho resahana eto ary ny antony mahatonga ny nono mizihitra rehefa avy niteraka ary ny fomba atao mba hampamaivana azy.

Inona no antony mahatonga ny nono mizihitra eo amin’ny reny mampinono ?

Ny antony mahatonga ny nono mizihitra rehefa avy niteraka, na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe « engorgement mammaire », dia noho ny habetsahan’ny ronono vokarin’ny vatana mihoatra ny ronono avoaka. Izany hoe, miakatra loatra ilay rononon-dreny ka lasa miangona ao anaty nono ao ka lasa mampivonto ireto farany. Matetika moa dia eo amin’ny faha 3 andro hatramin’ny faha 6 andro aorian’ny fiterahana no hisehoan’izany. Io fotoana io tokoa mantsy no manomboka mamokatra ronono betsaka ny vatana nefa mbola tsy maharaka minono betsaka ny zazakely.
Rehefa mizihatra ny nonon-dreny dia lasa mivonto, mafy be, mafana ny hoditra ivelan’ny nono ary marary raha vao kasihana. Sarotra avoaka ny ronono miangona ao amin’ny nono mizihatra. Tsy maintsy avoaka nefa izany satria mety mampihena ny famokaran’ny vatana ronono rehefa ao aoriana, mandratra ny lohanono, mampanavy ilay vehivavy…

Ahoana ary ny fomba atao hanamaivanana ny nono mizihatra ?

Amin’ny ankapobeny dia mandalo ihany ny nono mizihatra eo amin’ny vehivavy avy niteraka. Raha minono tsara amin’ny reniny ny zaza vao teraka dia tokony misinda ho azy izany afaka roa na telo andro eo ho eo. Misy ihany koa nefa ireo vehivavy tsy afaka mampinono noho ny antony maro samihafa ka tsy maintsy mitady fomba hafa hanamaivanana ilay nono mizihatra. Anisan’ny zavatra azo ato ny :
Mamoaka ilay ronono amin’ny alalan’ny « tire-lait » na amin’ny fipotserana izany ivoaka amin’ny alalan’ny tanana. Alohan’ny amoahana ny ronono nefa dia mila petahana zavatra mafana (rano mafana anaty tavoahangy na lamba nolemana rano mafana) eo amin’ilay nono satria mety harary be raha vao kitihina na potserina. Rehefa tratra ilay hafanana ilay nono dia mihena ilay fanaintainana ary mora mivoaka kokoa ilay ronono. Afaka mandro amin’ny rano mafana ihany koa ilay vehivavy alohan’ny amoahana ilay rono.
Rehefa avy nopotserina ny nono na rehefa avy mampiasa « tire-lait » dia mety mbola mitohy ilay fanaintainana. Mba hampitoniana izany dia petahana zavatra mangatsiaka indray eo amin’ilay nono. Tsy atahorana ampangatsiaka nono ny fanaovana izany nefa mampihena be ilay marary. Raha toa ka tsy misy fivoarana, izany hoe mizihitra be foana ilay nono, mbola marary na koa lasa manavy ilay vehivavy dia mila manantona mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires