• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Reny&Zaza

Ilaina tokoa ve ny manao « rééducation périnéale » aorian’ny fiterahana ?

09/01/2024 11:36 © Moov.Mg

Mbola vitsy eto amintsika ny mahafantatra ny mikasika ny atao hoe « rééducation périnale ». Mitondra vokatsoa ary misoroka fahasarotana maro eo amin’ny vatan’ny vehivavy avy niteraka ny fanaovana azy io. Fa inona tokoa moa no atao hoe « rééducation périnale » ? Inona ny tombontsoa entin’izany ary ahoana ny fomba anatanterahana azy ?

Inona no atao hoe « rééducation périnéale » ?

Ao amin’ny vatan’ny vehivavy dia misy ny ato hoe « périnée ». Ity farany dia fitambarana hozatra maromaro ao ambanin’ny taola-maoja (bassin) izay mitaty ireo taova manodidina ny taovam-pananahana (tatavia, tranon-jaza…). Izany hoe ny « périnée » no mitazona ireo taova ireo tsy hietsika amin’ny toerany.
Ireo hozatra ireo ihany koa no miantoka ny fiasan’ireo taova mba ahafahana mitazona ny fivalanan-drano (pipi) sy ny maloto (caca). Miantoka ny fahafinaretana mandritra ny firaisana ara-nofo ihany koa ny « périnée ». Ny « rééducation périnéale » dia karazana fanazarana (exercices) ampanaovina ny « périnée » mba hanamafisana ireo hozatra mandrafitra izany.

Inona no antony anaovana « rééducation périnéale » aorian’ny fiterahana ?

Maro ireo anton-javatra mety ampalemy ny « périnée » ka anisan’izany ny fiterahana. Mandritra ny 9 volana fitondrana vohoka dia nitehina mafy teo amin’ireo hozatra ireo ny zaza tao an-kibo. Rehefa niteraka indray dia lasa nihitatra ny « périnée » ary lasa malemy rehefa avy nandalo teo ny zaza. Rehefa lasa malemy ireo hozatra dia lasa tsy mahavita ny asany tsara intsony. Izany no antony ilaina ny fanazarana azy mba hiverina hiasa tsara indray.
Izany hoe mila manao « rééducation périnéale » ny vehivavy avy niteraka mba :
-Hisorohana ilay tsy mahatazona fivalanan-drano rehefa mievina, mikohoka….
-Ho voatazona tsara amin’ny toerany ireo taova anaty taola-maoja ;
-Hiverina mahazo fahafinaretana tsara na ny lahy na ny vavy rehefa miray ara-nofo satria lasa miverina teritery indray ny lalan-jaza.

Oviana no tokony manao « rééducation périnéale » ?

Mila miandry 6 hatramin’ny 8 herinandro aorian’ny fiterahana vao tokony hanomboka anao « rééducation périnéale » ny vehivavy avy niteraka. Mila maka aina tsara sy mifana araka ny tokony ho izy mialoha izany fe-potoana izany. Fadiana arak’izany ny manao fanatanjahantena manenjana ny kibo sy mitontontontona satria mety hanosika ireo taova hilatsaka izany nefa ny « périnée » mbola malemy.

Mikasika ny fomba fanantanterahana izany

Raha ho an'ny vehivavy any ivelany dia miaraka amin'ny mpampivelona (sage-femme) na amin’ny « kinésithérapeute » no manao ny « rééducation périnéale ». Misy fitaovana ary teknika manokana ampiasaina moa amin’izany.
Raha ny eto amintsika dia mbola vitsivitsy ny toerana manokana mampanao azy ary tena ilaina ny manantona azy ireny. Matetika moa dia eny amin’ireo hopitaly lehibe sy ny « clinique » no ahitana rasazy manokana mampanao izany.

Lire la suite

Articles Similaires