• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Qare
Image
Reny&Zaza

Marary be tampoka ny tampon’ny fivaviana rehefa bevohoka : ahoana ny tokony atao ?

09/01/2024 09:56 © Moov.Mg

Maro amin’ny vehivavy bevohoka no mahatsapa hoe marary be tampoka ny tampon’ny fivaviana. Mety mampitaitaina ihany izany toe-javatra izany, indrindra raha tsy fantatra mazava ny antony. Mba ampitony ny bevohoka ary dia ho resahana eto ny antony mahatonga izany sy ny vahaolana azo atao ampitony izany.

Ny antony mahatonga izany fanaintainana izany ?

Ny taola-maojan’ny vehivavy na « bassin » dia taolana roa mifampitohy ary misy rohinofo eo afovoan’izy ireo. Rehefa mandroso any amin’ny roa na telo volana faran’ny fitondrana vohoka dia mamokatra « hormone » antsoina hoe « relaxine » ny vatana mba hampalefaka an’io rohinofo io sy hisokafan’ny « bassin ». Izany dia hanamora ny fandalovan’ny zaza ao.
Ny fisokafan’ny rohinofo sy ny taolana (misokatra kely) no mahatonga ilay marary be tampoka eo amin’ny tampon’ny fivavian’ny vehivavy bevohoka. Ny tranon-jaza ihany koa dia tahaka ny baloma mitsingevana ao anaty « bassin » ka rohinofo no mitazona azy. Rehefa mitombo ilay tranon-jaza dia mihenjana be ireo rohinofo ireo ka marary.

Ny zavatra tokony atao ampitoniana ilay fanaintainana

Rehefa sendra ilay marary tampoka ny tampon’ny fivaviana rehefa bevohoka dia tsy azo terena mihetsika be ny vatana satria vao maika mihenjana ireo rohinofo.
-Fadiana noho izany ny miezaka mihetsika sy manao « étirements ». Matetika rehefa mandeha tongotra no miseho izany fanaintainana tampoka izany. Raha izany no mitranga dia tsy manao dingan-davitra fa atao dingana kely rehefa mamindra.
-Mitranga ihany koa izany fanaintainana izany rehefa mivadi-mandry. Mba hisorohana sy hampitoniana izany dia tsy tonga dia mivadika haingana be ary atambatra ny fe roa rehefa fa tsy sarahana. Izany hoe toy ny somary mipetraka aloha vao mivadika amin’ny ilany indray.
-Rehefa miandry andro dia lomana rano mamay be ny faritry ny taola-maoja na asiana rano mamay farak’izay zaka anaty tavoangy eo amin’ny tampon’ny fivaviana. Misoroka ary mampitony ny fanaintainana ny fanaovana izany.
-Tsy adinoina ny mihinana sakafo manankarena « magnésium » sy « calcium » toy ny sôkola, akondro, « épinard », vokatra avy amin’ny ronono…

Lire la suite

Articles Similaires