• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Enfant Com
Image
Reny&Zaza

Ahoana ny hahalalàna fa tsy ampy rano ny zaza (déshydraté) ?

23/12/2023 10:27 © Moov.Mg

Trangan-javatra iray mety mitera-doza eo amin’ny zaza ny tsy fahampiana rano (déshydratation). Raha tsy voatsabo ara-potoana izany dia mety mahatonga aretin’ny voa, ny atidoha, ny aty… Ahoana ary ireo fambara ahafantarana fa tsy ampy rano ny zaza ary inona ny fitsaboana atao ?

Ireo antony mety mahatonga ny tsy fahampian-drano amin’ny zaza

Na mbola tsy misotro rano aza ny zazakely (ireo latsaky ny 6 volana) dia efa mitondra ny rano ilain’ny vatany ny rononon-dreny na ny solon-dronono omena azy. Raha mivalana na mandoa matetika nefa izy ireny dia mety ho tratry ny tsy fahampian-drano. Ho an’ny ankizy efa misakafo dia maro ihany koa ireo antony mety ahatonga ny tsy fampian-drano toy ny hoe mandoa sy mivalana, ny tsy fahampian’ny rano sotroina, ny hatsembohana be loatra nefa tsy misotro rano tsara…

Ireo fambara ahafantarana zaza tsy ampy rano

Miseho amin’ny endriny maro ny tsy fahampian-drano eo amin’ny zaza. Anisan’ireo fambara tokony hampanahy ny ray aman-dreny raha toa ka :
Ho an’ny zaza latsaky ny 4 taona
-Misy « cernes » ao ambanin’ny mason’ny zaza ;
-Milempona ny lohamaleminy ;
-Mihena ny lanjany ;
-Mangatsiaka ny tanany sy ny tongony ;
-Malemilemy izy, zara raha mihetsika na zara raha taitra ;
-Te hatory lava ;
-Maina be ny molony ;
-Maina ela be ny « couches » satria zara raha mivalan-drano ;
-Mandoa ;
-Mivonto ny kibony sady maneno ;
-Miforiporitra ny hoditra eo amin’ny kibony ary ela be vao afaka ;
-Raha tsindrina ny faritra iray amin'ny vatany dia ela be vao mihamenamena na lasa mavokely fa mijanona ho fotsy ela be satria zara raha mikoriana ny rà.
Ho an’ny zaza mihoatra ny 4 taona
-Mitaraina marary an-doha ;
-Malemilemy ary sahirana vao miteny ;
-Reraka tampoka ;
-Toa miteniteny foana (délires) nohon’ny harerahana ;
-Misy « crampes » ;
Fanina tampoka ;
-Te handoa ;
-Manavy ;
-Maina ny molotra.
Raha miseho ny vitsivitsy na ny ankamaroan’ireo fambara ireo dia mila entina malaky any amin’ny tobim-pahasalamana ny zaza satria mety mitera-doza ny tsy fahampiana rano.

Ireo toromarika hiadiana amin’ny tsy fahampiana rano eo amin’ny zaza

Azo atao tsara ny misoroka ny tsy fahampiana rano eo amin’ny zaza. Ankoatra ny fitandrovana ny sakafo hoaniny mba tsy ankarary azy dia misy ireo toromarika mila ampiarina.
-Rehefa mafana be ny andro ka tsy maintsy mivoaka miaraka amin'ny zaza latsaky ny 4 taona dia :
-Omena nono na solon-dronono izy vao mitomany sao mangetaheta ;
-Raha azo atao dia tsy entina mivoaka mandritra ny fotoana mampidanika be ny masoandro ny zaza ;
-Manararaotra ny alokaloly ny trano, ny hazo… ;
-Ampanaovina satroka ny zaza ary harovana ny masoandro ny tarehiny sy ny tendany ;
-Atao maivamaivana ny ankajony ary tsy atao miloko matroka na mainty.

Lire la suite

Articles Similaires