• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adbb Autour De Bébé
Image
Reny&Zaza

Ahoana ny fomba hampifandanjana ny fitondrana vohoka sy ny asa ?

26/03/2026 11:36 © Moov.Mg

Fanamby lehibe ho an’ny vehivavy maro eto Madagasikara ny mampifandanja ny fitondrana vohoka sy ny asa. Misy ny andraikitra ao an-tokantrano, ny fahasahiranana ara-bola, ary ny zava-misy eny amin’ny sehatry ny asa ka ilaina ny mahita vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy mba hiarovana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Araho eto ary ireo torohevitra mety manampy amin’izany.

Fantarina ny zo ananana amin’ny maha-bevohoka

Ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara dia miaro ny vehivavy bevohoka. Manana zo hahazo « congé de maternité » (matetika 14 herinandro) ny vehivavy, ary voarara ny fandroahana noho ny fitondrana vohoka. Na izany aza, amin’ny zava-misy — indrindra amin’ny sehatra tsy ara-dalàna izay be mpanao eto amin’ny firenena — dia mety tsy fantatra na tsy ampiharina tsara ireo zo ireo. Noho izany dia zava-dehibe ny fanontaniana ny mikasika azy io ao amin’ny toeram-piasana sy manontany amin’ny tompon’andraikitra, toy ny eny anivon’ny « inspection du travail ».

Ampifanarahana amin’ny toe-batana ny asa

Mandalo fiovana lehibe ny vatana mandritra ny fitondrana vohoka: mety ho reraka, maloiloy, na marary. Na miasa birao na eny an-tsena, eny an-tsaha na amin’ny asa tanana, dia tsara ny bevohoka raha:
-Maka aina matetika,
-Miala amin’ny fitondrana na fibatana entana mavesatra,
-Misotro rano ampy, indrindra amin’ny andro mafana,
-Manitsy ny ora fiasana raha azo atao.
Any ambanivohitra, izay anjakan’ny asa tany sy fambolena, dia mety ho sarotra izany, saingy ilaina mba hisorohana ny loza mety hitranga.

Misafo ara-dalàna mba hanaraha-maso ny vohoka

Zava-dehibe ny fanaraha-maso ara-pahasalamana mandritra ny fitondrana vohoka. Eto Madagasikara, ny CSB (Centre de Santé de Base) dia manolotra fitsaboana ho an’ny bevohoka amin’ny vidiny mora na maimaim-poana. Tokony:
-Misafo na manao fizaham-pahasalamana farafahakeliny in-4,
-Manaraka ny torohevitra omen’ny mpiasan’ny fahasalamana,
-Mihinana ny fanafody sy fanampin-tsakafo omena (vy, acide folique).
Ho an’ny vehivavy miasa, tsara ny mandamina fotoana mety hanaovana ireo fitsidihana ireo na mangataka fahazoan-dalana amin’ny mpampiasa.

Mifehy ny tsindry ara-tsosialy sy ara-piasana

Misy vehivavy voatery manohy miasa mafy mandritra ny fitondrana vohoka noho ny filàna ara-bola. Indraindray koa, mety tsy eken’ny mpampiasa ny fitondrana vohoka. Noho izany dia tsara raha:
-Miresaka mazava amin’ny mpampiasa,
-Mangataka fanohanana amin’ny fianakaviana,
-Tsy manao ambanin-javatra ny fahasalamana noho ny tahotra very asa.

Miomana amin’ny « congé de maternité » sy ny fiverenana miasa

Ny fanomanana mialoha ny « congé de maternité » dia manampy amin’ny fampihenana ny adin-tsaina. Azo atao ny:
-Mandamina ny asa sisa hatao,
-Miomana ara-bola mandritra ny fotoana tsy iasana,
-Mieritreritra mialoha ny fikarakarana ny zaza.
Ny fiverenana miasa dia mety ho sarotra ihany koa, indrindra ho an’ny reny mampinono. Misy orinasa sasany manome fotoana hivoahana kely hampinonoana, saingy mbola tsy fahita firy izany eto.

Lire la suite

Articles Similaires