• Cours de change
  • 5215.85 AR
  • |
  • $4517.59 AR
Copyright Image : © Programme Malin
Image
Reny&Zaza

Fitaizana : ireo zavatra tsy tian’ny zazakely

15/12/2025 13:20 © Moov.Mg

Sarotra tokoa ny mamantatra ny zavatra mety mampitomany sy mahakizitina ny zazakely noho izy ireny mbola tsy mahay miteny. Na dia samihafa aza ny zazakely tsirairay dia misy ihany nefa ireo zavatra tsy tiana iombonan’izy ireny. Mba hanampy amin’ny fikarakarana sy ny fitaizana ny zazakely àry dia araho eto ny santionany amin’ireo zavatra tsy tian’izy ireny ka tsara tandremana.

Zavatra tsy tian’ny zazakely : mando na maloto ny tatin-jaza anaovany

Isan’ireo zavatra tsy tian’ny zazakely rehefa mando na maloto ny tatiny. Na taty lamba na « couche » no ampanaovina ny zaza dia mila soloina avy hatrany izy ireny vao mando na misy loto. Sady hisorohana ny fahamasahan’ny hoditry ny zaza izany no mba hiarovana azy amin’ny tsy fahasorenana ateraky ny fahatsapana mandomando, mafana na madisadisa vokatry ny fifampikasohana amin’ireo loto na pipy.

Tabataba sy feo mafy

Mbola an-dalam-pivoarana ny atidohan’ny zaza ka noho izany dia tena « sensible » amin’ny zavatra rehetra mety manaitra azy, toy ny tabataba na feo mafy, izay heveirina fa mety hampidi-doza azy. Mandritra izy ao an-kibo no miforona ny atidohany, mitohy mivoatra ity farany hatramin’ny fahazazany. Noho izany, mety hampatahotra sy hampitomany azy ireo tabataba sy feo mafy reny.

Ny hazavana be

Tsy mahazaka hazavana be toy ny olon-dehibe ny zazakely. Rehefa vao teraka izy dia « transparent » tanteraka ny « cristallin », ao amin’ny masony, ary miha « opaque » tsikelikely izany rehefa mandeha ny fotoana. Noho izany dia tsy mahazaka hazavana be ny mason’ny zazamenavava ka izay no mahatonga azy mikipy maharitra rehefa voataratry ny hazavana be.

Kotabaina be loatra

Mila resadresahana sy lalaovina ny zazakely mba hampivoatra ny atidohana sy hahaizany zavatra vaovao. Tsy tokony kotabaina be loatra kosa nefa izy ary tsy terena hilalao raha tsy mazoto. Raha terena ampilalaovina be loatra, ohatra amin’ny kilalao maneno be, ny zazakely dia mety hisy vokadratsy izany, toy ny hoe lasa sorena, ratsy torimaso… Mba hisorohana izany dia mila jerena tsara ny karazana kilalao mety amin’ny zaza, miankina amin’ny taonany, ny zavatra tiany, ny filàny sy ny fivoarana ara-tsaina sy ara-batany.

Lire la suite

Articles Similaires