• Cours de change
  • 5190.3 AR
  • |
  • $4458.19 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Reny&Zaza

Bevohoka avy teraka : torohevitra hisorohana ny fahaverezan-drà be loatra

02/09/2025 14:49 © Moov.Mg

Ny fahaverezan-drà be loatra na « hémorragie » rehefa avy niteraka no isan’ny antony mahafaty ny ankabeazan’ny reny eto amintsika. Vetivety dia mahafaty tokoa izy io raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Manampy amin’ny fisorohana azy io moa ny fihinanana « fer » mandritra ny fitondrana vohoka. Misy ihany koa ireo torohevitra manampy mba hisorohana ny fahaverezan-drà be loatra aorian’ny fiterahana. Araho ary.

Tsy tonga dia miharina vao tafavoaka ny zaza

Vao tafavoaka ny zaza dia tsy tonga dia atao miharina na mipetraka ny mpiteraka. Hatsilany izy ary tsy asiana ondana mandritra ny adiny 2 ora farafahakeliny. Raha ny tsara dia mandritra ny adiny 6 ora izy no avela hitsilany eo. Izany hoe tsy atao miharina mihintsy izy na hisakafo, na hampinono, na hipipy, na hikakà mba hisorohana ny fahaverezan-drà be loatra.

Tsy mitazona pipy

Rehefa avy teraka dia tsy mahazo mitazona pipy ny reny. Tsy miandry poritra be vao mipipy satria ny fiangonan’ireto farany ao anaty tatavia dia manindry ny tranon-jaza ka vao maika mahabetsaka ny rà very. Marina fa mety matahotra ny hangirifiry ny fery tataka na notatahana nefa kosa mila atao an-tsaina hoe mety hiteraka fahasarotana ny fitazomana pipy raha tsy havoaka izy io.

Midio tsara rehefa avy teraka

Vao avy teraka dia mila misasa tsara ny reny satria ny loto dia mety hampisy « infection » izay vao maika hampandeha be ny rà. « Serviette hygiénique » na « couche » ho an’olon-dehibe no ampiasaina. Soloina isaky ny adiny 3 raha ela indrindra izany. Avy amin’ny tsy fitandrovana ny fahadiovana no mahatonga ny sovoka ka mety mitarika fahaverezan-drà be loatra.

Lire la suite

Articles Similaires