« Anémie » sy tsy fahampiana « fer » eo amin’ny bevohoka : ‘ndeha ho resahana !
Reraka, hatsatra, tsy avy miaina… ireo dia isan’ny fambaran’ny tsy fahampiana « fer », na koa fambaran’ny « anémie », eo amin’ny bevohoka. Olana ara-pahasalamana matetika mitranga izany eo amin’ny bevohoka. Fa inona no mahatonga ny bevohoka ho mora tsy ampy « fer » na tratry ny « anémie » ? Inona no mety ho fiantraikan’izany ? Inona no tokony atao ? Araho ireo tsara fantatra.
Inona no atao hoe « anémie » ?
Ny « anémie » dia miseho amin’ny fihenan’ny isan’ny « globules rouges » na ny tahan’ny « hémoglobine » ao anaty rà. Ny « hémoglobine » dia « protéine » mitondra ny « oxygène » mankany amin’ireo sela ao amin’ny vatantsika. Rehefa bevohoka ny vehivavy dia mila « fer » betsaka kokoa ny vatany mba hamokarany ny « hémoglobine » ilainy sy ilain’ny zaza ao am-bohoka. Raha toa ka tsy ampy ny fatran’ny « fer » dia lasa mitroka ao amin’ny tahiriny ny vatan’ny bevohoka ka mety mahatonga tsy fahampiana « fer » na koa mitarika « anémie ». Araka ny voka-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana dia ny 20% hatramin’ny 40% ny bevohoka dia manao « anémie ferriprive », izany hoe vokatry ny tsy fahampiana « fer ».
Ireo fambara tokony hahamailo
Mety ho saro-pantarina ireo fambaran’ny tsy fahampiana « fer », nefa kosa tena ilaina ny mamantatra izany. Anisan’ireo fambara tokony hahamailo ny bevohoka ny :
-Harerahana tsy mety misinda na dia efa natory tsara aza ;
-Hoditra, hodi-maso sy ny « muqueuses » hatsatra ;
-« Palpitations » na tsy avy miaina vao mampiasa vatana kely ;
-Fanina ;
-Mora handairan’hatsiaka be loatra ;
-Marary an-doha matetika.
Tsy azo hamaivanina ireo fambara ireo fa mila resahana amin’ny mpitsabo na ny rasazy rehefa misafo. Ny fanaovana fitiliana rà dia afaka amantaran’ny mpitsabo ny tahan’ny « hémoglobine » sy ny « ferritine » ao amin’ny ràn’ny bevohoka.
Ireo mety ho vokadratsin’ny « anémie » mahazo ny bevohoka raha tsy voatsabo
Amin’ny ankapobeny dia tsy dia misy atahorana ary mora harenina ny « anémie » eo amin’ny bevohoka. Ho an’ireo tranga sarotra na tsy voaray an-tanana kosa nefa dia mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny reny sy ny zaza.
Eo amin’ny reny
-Mitombo ny harerahana sy ny « risque » mety hahazoana aretina. Ny « anémie » dia mamparefo ny hery fiarovana ;
-Mety hanao « hémorragie » rehefa avy teraka. Raha ambany loatra ny tahan’ny « hémoglobine » dia mety hampisy fahasarotana ny fiterahana ary mety mila ampidirana rà ny bevohoka ;
-Mety ho mora tsy avy miaina sy hanao « palpitations ». Eo amin’ny tranga tena sarotra dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny fo sy ny fisefoana ny « anémie ».
Eo amin’ny zaza
Mety hampisy fahatarana ny fitombon’ny zaza ao am-bohoka satria tsy mahazo ny fatran’ny « oxygène » ilainy ity farany ;
-Mety ho teraka tsy tonga volana ;
-Mety ho kely lanja rehefa teraka ;
Mety ho tratry ny « anémie néonatale ». Izany hoe vao teraka ilay zaza dia tsy ampy ny tahirin’ny « fer » ao amin’ny vatany. Raha tsy voaharina io tsy fahampiana « fer » io ao anatin’ny 2 taona voalohan’ny zaza dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny fivoaran’ny atidohany.