Pilina fanabeazana aizana : manala zaza tokoa ve ?
Honohono re eny amin’ny fiarahamonina eny ny hoe afaka ampiasaina hanalana zaza hono ny ny pilina fanabeazana aizana. Mihinana 2 amin’izy ireny isan’andro hono dia afa-jaza. Finonoam-poana ihany nefa izany satria raha bevohoka ny vehivavy dia tsy manala velively ny zaza miforona ao am-bohoka ireny pilina ireny. Andeha ho resahana misimisy eto ny mikasika izany.
Inona no atao hoe pilina fanabeazana aizana ?
Araka izany fiantsoana azy izany dia pilina natokana hisorohana ny vohoka tsy niriana ny pilina fanabeazana aizana. Izany hoe mampatevina ny « glaire cervicale » na manova ny ao anatin’ny tranon-jaza izy ireny mba tsy hampitoe-jaza. Matetika moa dia Pilplan no ahafantaran’ny maro azy ireny. Raha ny marina nefa dia « marque » ny Pilplan ary efa tsy misy intsony izy io ankehitriny. Mbola misy kosa nefa ny pilina fanabeazana aizana fa « marques » hafa fotsiny.
Ny pilina fanabeazana aizana izay matetika ampiasaina dia ilay misy pilina karazany 2 ao anatin’ny fonono (plaquette) iray. Mizara roa lehibe moa ny fiasan’ireo karazana pilina ireo :
-Ny pilina miisa 21 voalohany dia hormonina izay manakana ny famokaran’ny vatana atody (ovule) mandritra ny « cycle » hinanana azy. Izy ireo izany no hoanina mandritra ny 21 andro voalohan’ny « cycle ».
-Ny pilina miisa 7 farany dia « fer ». Mitovy fiasa amin’ny « fer » omena ny bevohoka moa izy io, ka anisan’izany ny fanonerana ny rà very rehefa tonga ny fadimbolana.
Tsy manala zaza ny pilina fanabeazana aizana
Matetika rehefa mahalany 3 na 4 amin’ireo pilina misy « fer » amin’ny pilina fanabeazana aizana dia tonga ny fadimbolana eo amin’ny vehivavy mihinana azy ireny. Noho io antony io no mampihevitra ny olona sasana fa mampandeha rà izy ireny ka mety mandaitra hanalana zaza.
Misy ihany koa ny mieritreritra fa ireo pilina misy hormonina no mety manala zaza. Marihana nefa fa anisan’ny asan’ireo pilina ireo ny fanemerana ny fotoana hamokarana atody raha toa ka ao anelanelan’ny « cycle » no hinanana azy. Raha toa kosa ka efa vokatra ny atody dia tsy afaka misoroka ny vohoka izy ireo. Lasa mikorontana fotsiny ihany ny « cycle » rehefa hoanina antenantenan’ny « cycle » ireo pilina misy hormonina ireo.
Inona no mety ho fiantraikan’ny pilina fanabeazana aizana eo amin’ny zaza ao an-kibo ?
Araka ny voalaza teo ambony dia tsy manala zaza ny pilina fanabeazana aizana. Raha efa mitoe-jaza ilay vehivavy no manohy mihinana azy io dia mety misy fiantraikany eo amin’ny zaza ny hormonina ao anatin’izy ireny. Ny « oestrogène » ao anatin’ny pilina fanabeazana aizana dia mety hisy fiantraikany amin’ny taovam-pananahan’ny zazalahy raha lahy kely ilay ao am-bohoka. Mety hitarika fahasahiranana hampahazo zaza azy izany rehefa lehibe izy. Mbola mitohy hatrany moa ny fikarohana ataon’ireo manam-pahaizana mikasik’izany.